Manaraka ny fitsokan’ny rivotra eran-tany ny vahoaka Malagasy. Nidina hatrany amin’ny 70 dolara ny barila ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary dia maro no faly manoloana izany. Isan’io isika eto Madagasikara, satria efa nananika ny 140 dolara io teo aloha.
Io vidiny farany io no nahatonga ny mpitatitra manerana ny nosy hampiakatra ny saran-dàlany hatrany amin’ny 80% ho an’ny mpitatitra sasany. Izay tsy nampiakatra ny saran-dàlany kosa, dia nampanantenain’ny fanjakana fa omena ilay fanampiana manokana. Maro no efa nahazo izany, indrindra ny teto an-dRenivohitra.
Mila fitsitsiana
Efa nidina hatrany amin’ny 70 dolara ilay 140 dolara teo aloha. Midika izany, fa hidina ihany koa ny vidin’ny solika eto Madagasikara atsy ho atsy. Mifameno tsara amin’ny filan’ny mpitatitra io. Tsy hisy intsony hilaza, fa hampiakatra ny saran-dàlany noho ny halafon’ny solika jifainy eny amin’ny mpanjifa. Miara-miaky ny rehetra, fa mbola tsy nisy fiantraikany eto amin’ny tsenan-tsolika eto Madagasikara io fidinany eo amin’ny tsena ivelany io, saingy tsy maintsy midina io afaka volana vitsy. Mety tsy hisy intsony noho izany fanampiana ataon’ny fanjakana. Ho zakan’ny mpitatitra ny vidiny eny amin’ny mpaninjara afaka fotoana fohy.
Mila fitsitsiana ihany koa ny volam-panjakana satria io efa hiarahana mahita io ny krizim-bola maneran-tany. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fahaiza-mitantana, indrindra ny tsy firobarobana. Vola be no natokana hanampiana ny mpitatitra, ary azo soroana tsara ny tsy hivoahan’ny volam-panjakana.
Manomboka midina ny saran-dàlana
Porofo hilazana fa mitsoka malefaka eto Madagasikara ny rivotry ny fidinan’ny sandan’ny barila ho 70 dolara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia nidina hatrany amin’ny 30% ny saran-dàlana mihazo ny faritra. Isan’io ny zotra mankany Atsimo rehetra iny. Mitsimbina ny mpanjifa eto ny mpitatitra. Tsy nisy ny fanararaotana, satria niteraka fahavoazana ho an’ny mpandeha mitaingina fiara mivezivezy ivelan’ny renivohitra izany. Ao anatin’ny fotoanan’ny maintso ahitra ihany koa isika. Tsapa fa tsy dia nisy fiakarany firy ny vidin’entana eny an-tsena. Mbola mitobaka ny sakafo. Tsy nampiakatra ny vidim-bokany ny tantsaha satria mifanaraka amin’ny ilana azy ny saran-dàlana nalaina taminy. Miara-miaiky anefa isika, fa maro no tsy afaka miliba amin’ireny sakafo amidy eny rehetra eny, satria ny ho enti-manana no tsy maharaka. Manantena ny rehetra, fa tsy hisy ny fanararaotana eo amin’ny entana ilain’ny mponina andavan’andro« PPN », ka na hipoitra aza ny krizy ara-bola eran-tany, dia mety ho eo amin’ny 2,1% no ho fiakatry ny vidim-piainana eto. Efa betsaka io amin’ny madinika, nefa ho voatazona amin’izany ve ity vidim-piainana ity ?