Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Malagasy

Andrimasom-pokonolona

Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

mercredi 15 octobre 2008 | Penjy R.

Mitombo andro aman’alina ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mihorohoro ny ankamaroan’ny mponina raha vao manomboka maizina ny andro. Tsy misy azo hitokisana intsony, fa na ny fianankaviana akaiky aza mivadika rehefa tojo ny saina ratsy ny lohany. Ny mpitandro ny filaminana, dia misy ny miray tsikombakomba amin’ny ratsy, ka tsy vitsy no efa tafiditra am-ponja amin’izao fotoana izao.

Toa tsy azo hiateherana intsony ny lalàna hoy ny hafa, satria votsotra ny ankamaroan’ny mpanao ratsy raha vao tonga eny amin’ny fitsarana. Mihorohoro ny olona nanome vaovao momba ny mpanao ratsy satria mety hiaran’ny valifaty. Fepetra noraisin’ny fanjakana no hanadiovana ireo rehetra ireo. Maro ny ezaka efa vita ankehitriny, hisoroana ny tranga tahaka ireo voalaza ireo. Na eo aza anefa izany, dia ny tsapa mifampiahiahy ny manodidina. Tsy ho gaga isika raha maro amin’ny mponina any ambanivolo rehetra any no mametraka ny dina. Dina izay heverina fa antoky ny fandriam-pahalemana any amin’izy ireo. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona. Ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana no mitarika izany eo amin’ny fokontany iray. Tsapa fa izay toerana nisy ity andrimasom-pokonolona ity, dia mihena ny asan-jiolahy ao amin’ilay faritra.

Marisarisa ny firaisan-kina

Mila entanina ny mponina isaky ny fokontany, mba hametraka ny firaisan-tsaina toy ny teo aloha. Hamerina indray ilay fomba fiteny hoe : « trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena hialofana ». Taloha, raha misy maty tao amin’ny fokontany iray, dia ny mponina iray vohitra no tonga miara-hory amin’ny tompo-manjo. Manangona vary iray kapoaka avy alefa ao amin’io manam-pahoriana io. Toa tsy mitoetra intsony io ankehitriny. Ny antony, araky ny voalaza etsy aloha, dia ny iray tanana aminao ihany no mifamely. Raha toa anefa tafaverina io fiara-monina milamina io, dia ho azo antoka fa hatanjaka noho ny tafika ny fiara-monina ao an-tanana. Ho rava ilay firaisan-kina marisarisa teo aloha. Miainga amin’io ihany koa no ahafahana mikatsaka miray saina hiara-mientana amin’ny sehatry ny fampandrosoana isam-paritra.

Ankehitriny, dia miezaka ny fanjakana ny hamerina ny hasin’ny tafika malagasy, mba hisian’ny fandriam-pahalemana milamina. Tsara izany, saingy tsy aleo ve aloha ny eny anivon’ny vahoaka no hanombohana izany. Izay ilay fampandrosoana miainga ifotony, ary hifampiaro ny iray tanana ho an’izay mihevitra ny hanisy ratsy ny mpiara-monina aminy. Sa ahoana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS