Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h01
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Tsy manaiky ho gisitra

    samedi 10 mai 2008 | Penjy R. |  691 visites
    Tsy hiantehitra amin’ny hetra fa mikaroka lalam-barotra. Io no fanamby hapetraky ny tompon’andraikitry ny tanana eto andrenivohitra. Tsy mitsahatra mivoaka mankany ivelany izy mitady izay fiaraha-miasa hanatsarana ity renivohitra ity. Hanomboka ny asa hoy izy raha vao tonga avy any China, ary miditra antsehatra ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina manatsara ny faritra heverina fa tokony hasiana fanavaozana. Heno koa fa hapetraka ny vato fototry ny fananganana ny lapan’ny tanana. Ny filoha (...)
  • Omena fitaovana ny olom-boafidy

    jeudi 8 mai 2008 | Penjy R. |  487 visites
    Hirosoana amin’ny asa dia tsy atao ambanin-javatra ny fitaovana ho entin’ny loholona miasa. Isan’ny nambaran’ny filohan’ity andrim-panjakana ity io raha vao nandray ny toerany izy ny talata teo. Tsapany fa tsy hisy asa ho vanona raha toa ka tsy misy ny ampinga ampiasaina amin’izany. Tsinjo avy hatrany io fa fiara 4x4 sy ny solika mandeha aminy. Eo ihany koa mazava ho azy ny karama sy ny tambiny, ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny trano honenana sy ny vola ho azo raha marary. Tsy misy maharatsy (...)
  • Hipoitra indray ny lamba maloto

    lundi 5 mai 2008 | Penjy R. |  687 visites
    Rahampitso no hanomboka ny fivorian'ireo andrim-panjakana eto amintsika. Ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona io. Hifantoka amin'ny fanaovan-dàlana isan-karazany ny fivoriana mandritra ny 60 andro atao eny. Tsy resaka fanaovan-dàlana anefa no tena hifantohan'ny sain'ny maro, fa ny adilahy politika hitranga eny. Raha ny etsy Tsimbazaza, dia hifantohan'ny sain'ny maro manomboka rahampitso ilay resaka mandeha momba ny mety ho fanonganan'ny TIM an'i Sylla amin'ny toerany. Tsy (...)
  • Pierre Tsiranana sy ny Governemanta

    Mahay manao sarimihetsika ny fitondrana

    samedi 3 mai 2008 | Penjy R. |  783 visites
    Tsy azo hitokisana ho afaka mampandroso haingana ny firenena ity Governemanta vaovao ity. Io indray no fisehoana ivelany nataon'ingahy Pierre Tsiranana. Toa tsy voadinika ifotony ny fanovàna, fa natao hanapotehina olona fotsiny. Olona manampahaizana toan'i Radavidson Andriamparany ve no esorina amin'ny toerany? Nahoana raha hita fa tsy nahavita azy hatrizay, raha navela hijanona ho depiote izy. Raha ny olona misolo ny toeran'ity ministra teo aloha ity, dia olona teo ambany fifehezany, (...)
  • Hai-trano tetsy 67 Ha

    Olona roa no namoy ny ainy

    vendredi 2 mai 2008 | Penjy R. |  519 visites
    Ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 2 maraina no nidedaka ny afo. Tsy tafavoaka ny efitrano nisy azy ireto tovovavy 2 ary namoy ny ainy avy hatrany vokatry ny afo nananika ny efitrano nisy azy. Avotra soa aman-tsara kosa ny iray, na dia nahitana fahamaizana aza. Io no nitranga tao amin’ny trano fisakafoanana iray etsy amin’ny 67 ha io alarobia maraina io. Vola Ar 200.000 mahery no lasa lavenona niampy ireo fitaovana maro be fampiasa amin’ny trano fisakafoanana sy ny fanaka tao an-trano. (...)
  • Lany andro mifanome tsiny

    mercredi 30 avril 2008 | Penjy R. |  619 visites
    Mora ny miteny fa ny manatanteraka azy no sarotra. Azo hitarafana ny trangam-piaraha-monina eto amin-tsika io. Toa tsy mahay maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha fa samy mihambo ho mahavita tena eo amin’ny sehatra tandrify azy. Hiroso amin’ny vaingan’asa nifanomezana ao anatin’ny MAP isika. Vonona ny fanjakana, ary manatsikafona ny mpanohitra. Nahilika naka zoron-trano izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra sao io no sakana amin’ny asa tsy maintsy atao. Nomena toerana ireo mpiara-dia (...)
  • Pierre Houlder

    Akoho tsy naneno tahaka izay lanin’ny kary

    mardi 29 avril 2008 | Penjy R. |  852 visites
    Resaka ka atao, fa ny eo ihany no eo. Fihetsika mitory avy hatrany fa tsy ahavita inona intsony ity fitondrana ity no nataon'ingahy Pierre Houlder manoloanan’ny filazan'ny filoha Ravalomanana, fa vita iny ny fifidianana, ka hanomboka amin'izay ny tena asa. Ny taona 2002 no efa tokony nahitana asa mivaingana teo amin'ity fitondrana ity. Inona no fahefana tsy teo ampelan-tanany ? Vahoaka iza no tsy nifandrombona taminy momba ny asa izay heverina fa ho atao eto ? Ny Arema maro an'isa tao (...)
  • Voatendry ny loholona 11

    Tsy nanary ny namany i Ravalomanana

    lundi 28 avril 2008 | Penjy R. |  721 visites
    Voazara ny seza. Nahazo ny anjarany ireo mpiara-mitolona tsy nivadi-pitokisana tamin’i Ravalomanana. Nisokatra tamin’ny hery samy hafa ankoatry ny mpanohitra ny fon’ny filoham-pirenena. Tsy nahataitra ny rehetra ny nanomezana seza ny filohan’ny TEZA Moxe Ramandimbilahitra, satria efa tsinjon’ny rehetra ny fihetsiny raha niala tsy ho filohan’ny TEZA ny tenany. Tsy hanary azy ny filoha Ravalomanana satria olona nitokisana tao amin’ny mpanolontsaina tao i Moxe. Ny filoham-boninahitry ny Grad Iloafo (...)
  • Mazava ny resaka

    vendredi 25 avril 2008 | Penjy R. |  788 visites
    Teny gasy ve miverina indroa? Eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra no tiana ahatongavana eto. Nanome fe-potoana farany indray izany ny FIFA hatramin’ny faran’ny volana izao ahaizan’ny Madagasikara mandinika tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny nandrava ny federasiona Malagasy ny baolina kitra. Mazava ny resaka nataon’ny ministra tompon’andraikitra fa handamina ny raharaha anatiny isika, ary hametraka ireo delegasiona manokana hitantanana ny raharaha ary hampanao fifidianana vaovao izay handrafitra (...)
  • Fivorian’ny mpanohitra

    Mizarazara ny hevitra

    vendredi 25 avril 2008 | Penjy R. |  572 visites
    Omaly dia nahitana fivoriana nataon’ny mpanohitra ny tetsy amin’ny Soimanga Manakambahiny sy teny Ivandry. Tanjona iray no tiana hahatongavana, saingy ny firaisan-tsaina no samy nanana ny azy. Tetsy amin’ny Soimanga Manakambahiny dia hita teny avokoa ireo mpanao politika kalaza eto ary ny teny Ivandry kosa dia ireo mpiara-dia amin’ny Profesora Zafy Albert. Ny fandraisana fahefana no tanjona, ary mazava ho azy fa nisy ihany koa ireo tatitra tamin’ny dingana nataon’izy ireo izay nanao (...)
  • Fjkm Andraharo

    Mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena

    mercredi 23 avril 2008 | Penjy R. |  431 visites
    « Mila fanaovazana ny tranon'Andriamanitra eto Andraharo. Tsy avelanay raha tsy tafajoro ny trano biriky ary ny fototra vato ». Trano hazo kely ny fiangoanana FJKM eto Andraharo, hoy ny pasitera Eliane izay mitandrina ao. Manana mpino 500 ary mpandray fanasan'ny tompo 80. Fahasahiranana tanteraka ny hita miatra amin'ny mpino, satria saika honahona no hita manodidina ny fiangonana. Raha misy ny rivo-doza dia tafiditra ao ampiangonana ny rano maloto. Tsy hikely soroka anefa ny mpino fa tsy (...)
  • Orin’asa afaka haba

    Misy mitady hampiasa ny datin’ny 1 mey

    mardi 22 avril 2008 | Penjy R. |  405 visites
    Kivy ratsy sahady ny mpiasa amin’ny orin’asa afaka haba eto andrenivohitra fa kasain’ny lehibeny hanenjika asa maika amin’ny voalohan’ny volana mey. Hisy tambin-karama omena izay mpiasa miasa araky ny vaovao niely teny Tanjombato. Maro tamin’ny mpiasa no tsy nanaiky izany, ary vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny mpampiasa azy. Tsy noterena kosa anefa ny mpiasa fa an-tsitrapo no hanaovany ny asa raha mazoto. Vanin’andro iray mba ahafahan’ny mpiasa mankalaza ny « Fetin’ny asa » eran-tany io, ary (...)
  • Anosy • Mitohy ny fanadiovana

    Atahorana ny valifaty !

    lundi 21 avril 2008 | Penjy R. |  825 visites
    Miasa isaky ny alina ny fokontany Andrefan’Ambohijanahary IIIG-IIIM Cité Jardins-Cité Gallois, hamerina ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra saropady iny. Olona 20 teo ho eo no voasambotry ny andrimasom-pokonolona tamin’ny fotoana nanombohana ny hetsika nialohan’ny Paska teo ka nisy ny tratra ambodiomby naka trondro tao amin’ny farihin’Anosy, ary ny sasany nahiana ho mpivaro-tena sy mpanao asa ratsy amin’ny faritra manodidina ny farihy ka nosamborina ihany koa rehefa tsy nanana taratasy (...)
  • Fambolena eto Madagasikara

    Tsy mety manan-karena ny tantsaha

    samedi 19 avril 2008 | Penjy R. |  1476 visites
    Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana. Fanentanana natao ho an’ny tantsaha rehetra ny teny hoe « mamokara », satria io no antoky ny fampandrosoana. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny karazana fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha na eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. (...)
  • Miandry tendrena

    jeudi 17 avril 2008 | Penjy R. |  599 visites
    Afaka andro vitsy dia hifidy ny mpifidy vaventy. Iray isaky ny faritra no ho fidiana amin'io ary hisy ny ho tendren'ny filoham-pirenena. Ireo mpiara-dia amin'ny fitondrana tsy tafiditra ao anaty lisitra, dia hitafa mifanohana amin'ny TIM. Hita miseho eny rehetra eny izy ireo, satria minia tsy miteny eo, dia tavela rehefa tonga ny fizarana ny mamy. Miandry ho tendrena ho loholona ny ankamaroan'izy ireny, ary izay tsy tafiditra any mba any amin'ny Governemanta indray manarina. Fomba tsy fanao (...)
  • « Agents déflatés » BFV sy BTM

    Ny fitsarana no handravona ny olana

    mercredi 16 avril 2008 | Penjy R. |  394 visites
    Nanjaka tanteraka ny zara vilana teo amin’ny fizarana ny vola. Tsy voahaja ny fifanarahana hatrany amboalohany. Io no alahelon’ireo mpiasa nisitaka antsitra-po tao amin’ny banky BFV sy BTM . Vola mitentina Ar 20 tapitrisa no nifanarahana omena ireo mpiasa, saingy niova ho Ar 10 tapitrisa indray io tato afara. Mpiasa mahatratra 1 179 no omena io vola io, saingy ny 376 ihany no nandray ara-dalàna ny volany. Ny ambiny kosa dia ampaham-bola Ar 5 tapitrisa no mba azony, dia hatramin’izao tsy nisy (...)
  • Ministra Ramiaramanana

    Tsy nisy nanakana ny fidiran’i Rossy eto

    mercredi 16 avril 2008 | Penjy R. |  23547 visites
    «Tsy hamotika ny mpanakanto izahay fa hiaro azy. Mpanakanto manana ny maha-izy azy i Rossy ary namanay izy, satria mpiray tanindrazana ». Io no nambaran’ny ministra Ramiaramanana omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tsy toy ny artista rehetra ity mpanakanto ity, satria iarahana mahalala ny sehatra nisy azy teo amin’ny tontolo Politika. Nanambara anefa i Rossy fa tsy hanao politika intsony, ary izay no nandaminana ny fifanarahana rehetra amin’ny seho izay ho ataony eto Madagasikara. Ny 20 (...)
  • Fidinana an-dàlambe

    Nifanome hery ny mpanohitra

    lundi 14 avril 2008 | Penjy R. |  866 visites
    Mailo i Lecacheur dia nihemotra tsy nidina an-dalambe ny sabotsy teo. « Efa fantatro fa misy olon’ny fitondrana voakarama handroba sy hisambotra ahy. Aleo nihemotra aloha noho ny fitandremako tsy hisian’ny korontana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey io. Ho tohizako kosa anefa ny fanehoan-kevitry eny an-toerana ary tsy hihemotra intsony aho ». Feno mpitandro filaminana tetsy Analakely ny sabotsy teo, ary efa somebiseby ihany koa ny mpandalo. Inona no hitranga eto ? Nilamina ny tanàna satria tsy (...)
  • Rakotoamboa Jean Louis

    Tsy mila ny sezan’ny loholona

    mercredi 9 avril 2008 | Penjy R. |  671 visites
    « Ampy ahy izay nipetrahako tao Anosikely izay. Raha misy ny vola voahodiko nandritra ny naha-loholona ahy, dia ento eo anatrehan’ny fitsarana aho ». Io ny fanehoan-kevitra nentin’ingahy Rakotoamboa Jean Louis. Tsy nilatsaka intsony ny tenany, ary nohamafisiny, fa raha toa ka tendren’ny filoham-pirenena hiverina amin’io sezan’ny loholona io izy dia tsy handray intsony. « Ny fanompoako ny antoko misy ahy no tanjoko manomboka izao ». Tsy dia misy hilàna ny antenimieran-doholona, hoy izy, satria ny (...)
  • « Pladdic » sy ny aretin’omby

    Mila mandray andraikitra ny fanjakana

    mercredi 9 avril 2008 | Penjy R. |  373 visites
    « Loza ho an’ny vahoaka ity aretin’omby ity. Mila mandray ny andraikiny hatrany ifotony ny fanjakana, satria ho ripaka eto ny Malagasy raha tsy voavonjy haingana io aretina io ». Io ny fifohazana tamin’ny torimasony nataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa « Pladdic ». Ny filohany Tolojanahary, dia nanamafy fa misy sehatra tsy mazava miainga any amin’ireo dokotera mpitsabo biby, ka tsy mahagaga raha efa eny ambony latabatry ny mpivarotra vao hita fa biby misy aretina io amidiny io. Tsy (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS