Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Teny zato, kabary arivo

Miandry tendrena

jeudi 17 avril 2008 | Penjy R.

Afaka andro vitsy dia hifidy ny mpifidy vaventy. Iray isaky ny faritra no ho fidiana amin’io ary hisy ny ho tendren’ny filoham-pirenena. Ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana tsy tafiditra ao anaty lisitra, dia hitafa mifanohana amin’ny TIM. Hita miseho eny rehetra eny izy ireo, satria minia tsy miteny eo, dia tavela rehefa tonga ny fizarana ny mamy.

Miandry ho tendrena ho loholona ny ankamaroan’izy ireny, ary izay tsy tafiditra any mba any amin’ny Governemanta indray manarina. Fomba tsy fanao hatramin’izay io, ka tsy hifanomezan-tsiny. Mazàna tsy dia tazana firy ny fahaiza-manao fa izay nahavita be tamin’ny fanohanana dia mahazo ny anjarany. Tsy ho gaga isika raha misy ny fitavozavozana eo amin’ny mpanantan-teraka sasany. Andrasan’ny rehetra ny ahita olona afaka midina ifotony mahita ny tena fahasahiranam-bahoaka mivantana, fa tsy ho sanatria mpandray tatitra ao anaty birao fotsiny. Tsy ho gaga isika raha misy ny mivadika palitao rehefa tsy nahazo toerana, satria manantena ny omena seza tampoka na dia tsy ao aza ny fahaiza-manao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS