Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Teny zato, kabary arivo

Hipoitra indray ny lamba maloto

lundi 5 mai 2008 | Penjy R.

Rahampitso no hanomboka ny fivorian’ireo andrim-panjakana eto amintsika. Ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona io. Hifantoka amin’ny fanaovan-dàlana isan-karazany ny fivoriana mandritra ny 60 andro atao eny. Tsy resaka fanaovan-dàlana anefa no tena hifantohan’ny sain’ny maro, fa ny adilahy politika hitranga eny. Raha ny etsy Tsimbazaza, dia hifantohan’ny sain’ny maro manomboka rahampitso ilay resaka mandeha momba ny mety ho fanonganan’ny TIM an’i Sylla amin’ny toerany. Tsy mandeha ho azy ireny resaka ireny fa ao raha. Ny etsy amin’ny antenimieran-doholona, izay hisy ihany koa ny ady seza ho an’ireo maniry ny hitazona ny toeran’ny filoha ao an-dampa. Ingahy Rajemison Rakotomaharo, izay hita fa mbola vonona sy manantena hibata ny amboara fanindroany. Ingahy Noel Rakotondramboa kosa etsy ankilany tsy ho diso anjara ny mety hibata ny safidin’ny maro. Ny filohan’ny TIM Yvan Andriasandratriniony, ve hanaiky lembenana amin’izao ?

Miandry ny rehetra, satria ny antoko matanjaka no hifandramatra, ka ny tsy fahaiza-mandamina kely fotsiny no hiteraka disadisa tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena. Ny mpitazana dia ahatsapa fa hipoitra indray ny lamba maloto eo anivon’ny TIM, toy ny fahita hatramin’izay. Ny mpitazana dia faly satria miady an-trano ny ngeza, nefa mety ahay hifandamina izy ireo rehefa mipetraka ny tena fitiavan-tanindrazana. Sa ahoana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS