Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h08
 

Malagasy

« Agents déflatés » BFV sy BTM

Ny fitsarana no handravona ny olana

mercredi 16 avril 2008 | Penjy R.

Nanjaka tanteraka ny zara vilana teo amin’ny fizarana ny vola. Tsy voahaja ny fifanarahana hatrany amboalohany. Io no alahelon’ireo mpiasa nisitaka antsitra-po tao amin’ny banky BFV sy BTM .

Vola mitentina Ar 20 tapitrisa no nifanarahana omena ireo mpiasa, saingy niova ho Ar 10 tapitrisa indray io tato afara. Mpiasa mahatratra 1 179 no omena io vola io, saingy ny 376 ihany no nandray ara-dalàna ny volany. Ny ambiny kosa dia ampaham-bola Ar 5 tapitrisa no mba azony, dia hatramin’izao tsy nisy intsony. Ny ministera eo anivon’ny fitantanam-bola dia toa miniha mangina manoloana izao fahavoazan’ny mpiasa izao, araky ny nambaran’ingahy Razakarisoa Louis isan’ireo mpiasa voan’ny tsindry hazo lena. Ny zoma izao no hiakatra eo anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha, satria nitory ny TAF izay nitantanana ny vola hatrany amboalohany ny mpiasa. Voaheloka herintaona an-tranomaizina iretsy voalohany, ka izao nampiakatra fitsarana ambony izao.
Vola mitentina Ar 3 miliara no voalaza fa nomena azy ireo, saingy nanjavona teny am-panidinana. Miara-miasa akaiky amin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona ireto mpiasa ireto, ary maniry ny mba hivoahan’ny tena marina amin’ity raharaha iray ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS