Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 24 septembre 2023
Antananarivo | 08h24
 

Malagasy

« Pladdic » sy ny aretin’omby

Mila mandray andraikitra ny fanjakana

mercredi 9 avril 2008 | Penjy R.

« Loza ho an’ny vahoaka ity aretin’omby ity. Mila mandray ny andraikiny hatrany ifotony ny fanjakana, satria ho ripaka eto ny Malagasy raha tsy voavonjy haingana io aretina io ». Io ny fifohazana tamin’ny torimasony nataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa « Pladdic ». Ny filohany Tolojanahary, dia nanamafy fa misy sehatra tsy mazava miainga any amin’ireo dokotera mpitsabo biby, ka tsy mahagaga raha efa eny ambony latabatry ny mpivarotra vao hita fa biby misy aretina io amidiny io.

Tsy vitan’ny filazan’ny fanjakana fa voafehy fotsiny ity aretina ity dia vita. Nahoana no mbola mitohy ny olona tratrin’ny aretin’omby ity. Hidina ifotony eny rehetra eny ny Pladdic hanentana ny vahoaka mba hitaky ny taratasy manamarina fa hena efa voatily no amidy eny an-tsena. Tsy vitany irery anefa izany, fa mila ny fiaraha-mientan’ny maro, indrindra fa ny fanjakana.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS