Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Hai-trano tetsy 67 Ha

Olona roa no namoy ny ainy

vendredi 2 mai 2008 | Penjy R.

Ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 2 maraina no nidedaka ny afo. Tsy tafavoaka ny efitrano nisy azy ireto tovovavy 2 ary namoy ny ainy avy hatrany vokatry ny afo nananika ny efitrano nisy azy. Avotra soa aman-tsara kosa ny iray, na dia nahitana fahamaizana aza.

Io no nitranga tao amin’ny trano fisakafoanana iray etsy amin’ny 67 ha io alarobia maraina io. Vola
Ar 200.000 mahery no lasa lavenona niampy ireo fitaovana maro be fampiasa amin’ny trano fisakafoanana sy ny fanaka tao an-trano. Nisy ihany koa ireo poketra maro be izay saika haondrana ny alarobia teo nefa io lasa lavenona io avokoa. Hita ny niavian’ny afo araka ny nambaran’ny mpiasa tao, izay toa nisy ninia nandoro tamin’ny lasantsy. Tsy nisy gaz tao, ary nanambara ireo nahita fa teo an-dalantsara no nanomboka nirehitra, ary nihazo haingana ny efitrano fandriana. Tara ihany ny fahatongavan’ny mpamonjy voina, ka tsy mahagaga raha tsy nisy tafarina ny entana rehetra sy namoizana aina tahaka izao ihany koa. Efa
mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ny tena marina momba ity hai-trano mahatsiravina ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS