Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 17h55
 

Malagasy

Fambolena eto Madagasikara

Tsy mety manan-karena ny tantsaha

samedi 19 avril 2008 | Penjy R.

Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana.

Fanentanana natao ho an’ny tantsaha rehetra ny teny hoe « mamokara », satria io no antoky ny fampandrosoana. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny karazana fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha na eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. Nijoro ny karazana banky toy ny CECAM sy ny OTIV ary ny ADEFI hampindram-bola ireo manana tetikasa tsara rindra, ary mirary ny zana-bola satria kely no alaina amin’izy ireny.

  • Miditra ny vahiny

Mitombo ny mponina ary mahatratra 18 tapitrisa isika eto. Ny hita anefa dia miha-mahantra ny mpamboly sy mpiompy. Faritra maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo. Mangataka lava amin’ny firenena any ivelany raha vao tonga ny rivo-doza. Miditra eto amintsika ny vahiny manazary ny tany azo volena, ary isan’ireny ny eny antampon’ Ihorombe izay volen’ny vahiny katsaka. Miditra ihany koa ny vahiny eo amin’ny fambolena tongolo. Vokatra maro no andrandraina ho azo amin’io, aondrana any ivelany fa tsy amidy eto an-toerana. Matoa hifanotofan’ny vahiny ny fambolena ny tanintsika, dia azony antoka fa hampanan-karena azy. Isika anefa mba ahoana ?

  • Mandositra ny tanindrazana

Kivy ratsy ny tantsaha Malagasy, fa izay nasosoka maty masony avokoa. Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Mitsoaka mandositra ny tanindrazany ny ankamaroan’ny mponina ka ny tanan-dehibe no hifanotofany. Mikarama kely eny izy, dia mahita ny harapaka anio. Zary lava volo ny tany naha-lehibe, ary haolo ny tranon-drazana. Ny biby fiompy kely izay mba tavela tamin’ireo mbola nikiry ny hijanona any amin’ny tany nihaviany, lasan’ny dahalo. Na eo aza anefa ireo dia tsy vitsy no mbola manohy ny fambolena sy ny fiompiana, saingy hita fa mahantra izy ireny. Ny vidin’ny masom-boly sy ny zezika miha-lafo andro aman’alina. Ny vidim-bokatra anefa tsy toy izany, fa ny mpijirika no voky alohan’ny nisasatra.

  • Inona no vahaolana ?

Miezaka mandefa teknisianina isan-karazany eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanjakana, saingy toa tsy maharaka amin’ny fanentanana ny mponina. Mpanentana iray ho an’ny tantsaha arivo mahery, koa inona no ho vita amin’izany. Ny toerana misy ny tantsaha mitsitokotoko, ka zary vizana alohan’ny fotoana io mpanentana io. Hanafatra teknisiana avy any Alemana indray ny filoha Ravalomanana hanazava ny tokony ho ataon’ny tantsaha, ary hipetraka any ambanivolo mandritra ny 5 taona io. Nahoana ny vahiny mamokatra eto velona fa isika no fadiranovana andro aman’alina ? Inona no politika mahomby entin’ny fanjakana. Miandry ny vahaolana isika, fa ny tanjona dia hamokatra ho mpanankarena, fa tsy hiandry ho toloram-potsiny lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS