Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Malagasy

Fjkm Andraharo

Mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena

mercredi 23 avril 2008 |  431 visites  | Penjy R.

« Mila fanaovazana ny tranon’Andriamanitra eto Andraharo. Tsy avelanay raha tsy tafajoro ny trano biriky ary ny fototra vato ». Trano hazo kely ny fiangoanana FJKM eto Andraharo, hoy ny pasitera Eliane izay mitandrina ao.
Manana mpino 500 ary mpandray fanasan’ny tompo 80. Fahasahiranana tanteraka ny hita miatra amin’ny mpino, satria saika honahona no hita manodidina ny fiangonana. Raha misy ny rivo-doza dia tafiditra ao ampiangonana ny rano maloto. Tsy hikely soroka anefa ny mpino fa tsy maintsy hiezaka hanarina ity tranon’Andriamanitra ity. Nisy ny rindran-kira nataon’izy ireo ny alahady teo mba ho enti-manana ny fanamboarana. Tsy ampy anefa io, ary hangataka fihaonana amin’ny filoha Ravalomanana izy ireo ato ho ato mba hiandrandra fanampiana, satria ny filoham-pirenena dia miezaka manampy ny fiangonana.

Izay vonona hanampy ity FJKM etsy Andraharo ity, hoy ramatoa Pasitera dia raisina an-tanan-droa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS