Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Malagasy

Pierre Tsiranana sy ny Governemanta

Mahay manao sarimihetsika ny fitondrana

samedi 3 mai 2008 | Penjy R.

Tsy azo hitokisana ho afaka mampandroso haingana ny firenena ity Governemanta vaovao ity. Io indray no fisehoana ivelany nataon’ingahy Pierre Tsiranana. Toa tsy voadinika ifotony ny fanovàna, fa natao hanapotehina olona fotsiny.

Olona manampahaizana toan’i Radavidson Andriamparany ve no esorina amin’ny toerany ? Nahoana raha hita fa tsy nahavita azy hatrizay, raha navela hijanona ho depiote izy. Raha ny olona misolo ny toeran’ity ministra teo aloha ity, dia olona teo ambany fifehezany, saingy hita izany fa io indray no havanana amin’ny sehatry ny fanabeazana, ka dia nahilika ny teo aloha na dia vao enim-bolana monja aza no teo amin’io sehatra io. Mampalahelo ihany koa ny mahita fa nahatona tamin’ny toerany ny ministeran’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina. Firenena izy eto ambonin’ny tany no hanilika sy hanao ambanin-javatra ireo sehatra roa ireo ? Hita fa manao sarimihetsika ny fitondrana, ary tsy ho azo antoka ny fampandrosoana raha hifamingana lava eto isika mianankavy, hoy ity mpanao politika ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS