Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 18h13
 

Malagasy

Voatendry ny loholona 11

Tsy nanary ny namany i Ravalomanana

lundi 28 avril 2008 | Penjy R.

Voazara ny seza. Nahazo ny anjarany ireo mpiara-mitolona tsy nivadi-pitokisana tamin’i Ravalomanana. Nisokatra tamin’ny hery samy hafa ankoatry ny mpanohitra ny fon’ny filoham-pirenena.

Tsy nahataitra ny rehetra ny nanomezana seza ny filohan’ny TEZA Moxe Ramandimbilahitra, satria efa tsinjon’ny rehetra ny fihetsiny raha niala tsy ho filohan’ny TEZA ny tenany. Tsy hanary azy ny filoha Ravalomanana satria olona nitokisana tao amin’ny mpanolontsaina tao i Moxe. Ny filoham-boninahitry ny Grad Iloafo Tovonanahary Rabetsitonta kosa dia tsy nitsahatra nandany mondro kely nanohana ny fitondrana sy ny TIM ary hita tamin’ny sehatra maro isan-karazany.

Ramatoa Ruffine Tsiranana filohan’ny PSD dia efa endrika iray misokatra amin’ny antoko hafa. Olona tsy dia mba nahitana teny firy teo amin’ny sehatra politika, ka rariny raha nisokatra amin’io antoko io ny fony. Ny ministra Rabotoarison izay lehilahy tsy mba nahitana olana ny fiaraha-miasan’izy sy ny filoha raha vao nandray ny fahefana tamin’ny 2002, ary niala tsy nivadika ho mpanohitra raha noesorina tsy ho ministra. Mila faharetana ny zava-drehetra, ary tsy dia nahagaga raha tsy nisy nahazo sehatra intsony ireo mpiara-dia tamin’i Ravalomanana taona maro lasa izay.

Ny tsapa dia tsy nisy mpandraharaha firy mba notendrena ho amin’io toerana io, satria dia ny mpanao politika no mibahana etsy Anosy. Ny Arema matotra sy ny AMF/3fm dia tsy isan’ny nahazo anjara toerana, na dia nanao izay ho afany tamin’ny fanohanana ity fitondrana ity aza. Mbola maro ny sehatra afahana miasa, fa tsy atao mahakivy ny toy izao.

Ny fomba fiasa sisa andrasana, satria maika ny fampandrosoana, ho an’ireo tsara vitana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS