Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h17
 

Malagasy

Anosy • Mitohy ny fanadiovana

Atahorana ny valifaty !

lundi 21 avril 2008 | Penjy R.

Miasa isaky ny alina ny fokontany Andrefan’Ambohijanahary IIIG-IIIM Cité Jardins-Cité Gallois, hamerina ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra saropady iny.

Olona 20 teo ho eo no voasambotry ny andrimasom-pokonolona tamin’ny fotoana nanombohana ny hetsika nialohan’ny Paska teo ka nisy ny tratra ambodiomby naka trondro tao amin’ny farihin’Anosy, ary ny sasany nahiana ho mpivaro-tena sy mpanao asa ratsy amin’ny faritra manodidina ny farihy ka nosamborina ihany koa rehefa tsy nanana taratasy mazava.

  • Hisy valifaty !

Very maina ihany anefa ny ezaka izay iarahan’ny fokonolona eny an-toerana amin’ny mpitandro filaminana nohon’ny tsy fahafaha-mitazona ireo voasambotra mihoatra ny fe-potoana voafaritry ny lalàna. Tsy tratra nanao heloka ahazoana mitondra azy eny amin’ny fitsarana ny ankabeazan’ireo olona ireo, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna nohatonina, ka tsy maintsy votsoran’ny polisy rehefa nofantarina ny momba azy. Fantatry ny mponina mazava kosa anefa fa ireo mitoby ao amin’ny farihin’Anosy na andro na alina ireo no olon-dratsy mandoto ny tanànany nefa tsy azo atao na inona na inona satria tsy misy vesatra itazonana azy amin’ny fotoana ahasamborana azy ireo. Mitohy foana anefa na izany aza ny asa fanadiovana ataon’ny ao amin’ny fokontany, indrindra taorian’ny nahazony fanampiana tamin’ny olomboafidy sy ny mahalala tanana amin’ny fiatrehana io andraikitra io, ary vao nivory momba ny fananganana andrimasom-pokonolona ny faritra faha-3, faha-4 ary faha-5 tamin’ny sabotsy teo tao amin’ny Epp Andrefan’Ambohijanahary. Mandefa rahom-bava sahady kosa anefa, etsy an-daniny, ireo mpitoby ao amin’ny farihin’Anosy voakasiky ny fanadiovana fa hamaly faty amin’izay andrimasom-pokonolona tratrany satria, hono, manelingelina sy manala baraka azy ireo...

  • Faritra mena

Toerana maizina anjakan’ny tontakely hatramin’izay iny manodidina ny farihin’Anosy iny nefa tsy misy fepetra manokana raisin’ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana ka lasa ny samy olon-tsotra sisa no hifandramatra nohon’ny fanadiovana azy. Tsy misy asa ratsy tsy mitranga eny : fanendahana, sintomahery, fandratrana, fivarotan-tena, filokana, fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina sns... na andro na alina ka mampitondra faisana izay tratra mangingina eny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS