Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h56
 

Malagasy

Rakotoamboa Jean Louis

Tsy mila ny sezan’ny loholona

mercredi 9 avril 2008 | Penjy R.

« Ampy ahy izay nipetrahako tao Anosikely izay. Raha misy ny vola voahodiko nandritra ny naha-loholona ahy, dia ento eo anatrehan’ny fitsarana aho ». Io ny fanehoan-kevitra nentin’ingahy Rakotoamboa Jean Louis.

Tsy nilatsaka intsony ny tenany, ary nohamafisiny, fa raha toa ka tendren’ny filoham-pirenena hiverina amin’io sezan’ny loholona io izy dia tsy handray intsony. « Ny fanompoako ny antoko misy ahy no tanjoko manomboka izao ». Tsy dia misy hilàna ny antenimieran-doholona, hoy izy, satria ny antenimieram-pirenena dia afaka manao lalàna eto. Ekena fa misy ny fitsitsiana ataon’ny fanjakana amin’ny fampihenana ny isan’ny loholona, nefa raha ny fahoriam-bahoaka ankehitriny, tsy aleo entina hanaovana zavatra hafa ny vola. Nohamafisin’ity loholona ity, fa maro ny jiolahy politika mialokaloka ao amin’ny fitondrana ankehitriny.

Hita taratra izany nandritra ny fanovana ny voka-pifidianana nifanesy teto. Tsara ny milaza fa filoha mpitarika ny TEZA ity loholona ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS