Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h17
 

Teny zato, kabary arivo

Lany andro mifanome tsiny

mercredi 30 avril 2008 | Penjy R.

Mora ny miteny fa ny manatanteraka azy no sarotra. Azo hitarafana ny trangam-piaraha-monina eto amin-tsika io. Toa tsy mahay maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha fa samy mihambo ho mahavita tena eo amin’ny sehatra tandrify azy. Hiroso amin’ny vaingan’asa nifanomezana ao anatin’ny MAP isika. Vonona ny fanjakana, ary manatsikafona ny mpanohitra. Nahilika naka zoron-trano izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra sao io no sakana amin’ny asa tsy maintsy atao. Nomena toerana ireo mpiara-dia tsy nivadi-belirano. Lasa izao, hoy ny mpitazana, satria feno ny fahefana rehetra.

Ankilany dia toy ny akoho kely
latsaka ankady ny mpanohitra. Mian-tsoantso toa tsy misy maheno. Mivoaka ny hevitra amin’ny tokony hifanomezan-tànana haingana mba hiarahana manarina ny tanindrazana. Misy mandre ve izany ? Mipoitra ny fanakianana amin’ny lesoka diavin’ny mpitondra, saingy vitsy no manarina ny fahadisoana vitany. Be ny mihevi-tena ho tompon’ny fahamarinana.

Tsapa hatreto fa maro ny manana finihavana handray andraikitra, saingy ny fijery Politika no tsy iraisana. Lany andro mifanome tsiny isika, ary ny minitra iray dia vidiana lafo. Mbola izay foana ve no hiainana eto ? Isika rehetra no miara-misaina.
Penjy R

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS