Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h25
 

Malagasy

Ministra Ramiaramanana

Tsy nisy nanakana ny fidiran’i Rossy eto

mercredi 16 avril 2008 | Penjy R.

« Tsy hamotika ny mpanakanto izahay fa hiaro azy. Mpanakanto manana ny maha-izy azy i Rossy ary namanay izy, satria mpiray tanindrazana ». Io no nambaran’ny ministra Ramiaramanana omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Tsy toy ny artista rehetra ity mpanakanto ity, satria iarahana mahalala ny sehatra nisy azy teo amin’ny tontolo Politika. Nanambara anefa i Rossy fa tsy hanao politika intsony, ary izay no nandaminana ny fifanarahana rehetra amin’ny seho izay ho ataony eto Madagasikara.

Ny 20 aprily dia andron’ny fifidianana izay ho loholona. Ny volana mey ihany koa dia hiarahana mahalala fa fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika. « Miaro ny mpanakanto izahay mba tsy ho viravirain’ny mpanao politika », hoy ity ministra ity. « Tsy misy manakana azy tsy hiditra eto, fa ny fampisehoana fotsiny no ahemotra kely ».

Azo atao tsara ny manao fampisehoana « tapolaka vita Bac », hoy Ramiaramanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS