Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 11h48
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Teny zato kabary arivo

    Karakarao fa mivoraka

    jeudi 14 août 2008 | Penjy R. |  815 visites
    Vanim-potoana fialan-tsasatra izao. Maro ny mponina no mandeha any amin'ny faritra maro samy hafa eto Madagasikara. Toy izany koa ireo vahiny izay tonga eto. Isan'ny mampiditra vola vahiny betsaka ny tahaka izany. Mety hampihemotra ny vahiny anefa ny fandrenesana ny fiparitahan'ny aretina maro samy hafa eto. Isan'io ny vokatry ny firaisan'ny lahy sy ny vavy. Ny SIDA sy ny sifilisy izay heno tao ho ao fa mahazo vahana any amin'ny faritra. Manampy trotraka io ny resaka tsy (...)
  • Mifandrangitra

    mercredi 13 août 2008 | Penjy R. |  588 visites
    "Hitohy ny hetsika. Tsy amelanay raha tsy tafahaona amin'ny vahoaka eto andrenivohitra izahay fikambanan'ny mpanohitra miray. Tafiditra ao anatin'ny vovonay ny fanjakana, ary tsapa fa matahotra ny hivoahan'ny marina ry zareo". Lahateny nataon-dry Daniel Ramaromisa sy Marson Evariste ary ny Profesora Zafy Albert io ny alatsinainy teo. Tao anatin'ny hetsika izay saika hikabarian'izy ireo tamin'ny vahoaka tetsy amin'ny tranompokonolona Analakely. Taitra ny rehetra, fa vory lanona tao Analakely (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Fanjakan’ny Baroa

    mardi 12 août 2008 | Penjy R. |  670 visites
    Be ny mpanararaotra, fa ny fanaraha-maso koa no tsy ampy. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra. Izay angamba no heverin'ny sasany fa fahalalahana. Raha vao mandre ny rehetra fa miakatra ny vidin'ny solika, dia ny mby ao antsain'ny rehetra, dia ny ho fiakaran'ny saran-dàlana avy hatrany. Niakatra ny asabotsy teo ny ankamaroan'ny saran-dàlana manerana an'i Madagasikara. Nahatratra 30% ny fiakatry io saran-dàlana io. Sahirana ny mpandeha maro manoloana izany, satria nisy ny tsy nanam-po (...)
  • Adala ao Anjanamasina

    Namosavy dia lasa adala

    lundi 11 août 2008 | Penjy R. |  1841 visites
    "Efa aty amin'ny toeran'ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin'ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon'ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io. "Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin'ny fasan'olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin'ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, (...)
  • Kaominina Ambanivohitra Andranomiady

    Mahantra jerena, fa be arena miafina

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1308 visites
    "Tsy avela ho faralahy, fa ho vavimatoa". Fanirian-dramatoa ben'ny tanàna Rafarahaniriana Olivia eo amin'ny kaominina hiadidiany io. Antakavana, toerana iray any amin'ny distrikan'Ankazobe ato anatin'ny faritra Analamanga. Toerana lavitra andriana ary mafana amin'ny asan-dahalo. Noho ity kaominina ity ahiana ho fongana atsy ho atsy noho ny rano mikaoka mandavan-taona ny tanàna, dia nafindra ao Andranomiady ny renivohitry ny kaominina. Maro no tsy dia faly amin'izao fanapahan-kevitra izao ny (...)
  • Fonjan’Ankazobe

    Kongona 12 kapoaka no mihinana ireo gadra

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1661 visites
    Manaova ny marina. Làlana iray tsy ahatafiditra anao any amponja io. Maharikoriko ny zava-misy ao amin'ny fonjan'Ankazobe. Lanin'ny kongona ireo voafonja, ka ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana no miditra an-tsehatra mamono izany amin'ny alalan'ny DDT. Isaky ny efa-bolana no hanaovana izany isan-taona, ary mahatratra 12 kapoaka no maty rehefa voahangona. Voalaza fa misy amin'ireo voafonja ireo ny manao asa ivelan'ny fonja. Mihoron-koditra noho izany ny mponina, (...)
  • Sinôda Fjkm

    Hifidy birao vaovao

    mercredi 6 août 2008 | Penjy R. |  762 visites
    Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny sinoda lehiben'ny FJKM. Any Mahajanga no hanaovana izany, ka hifarana ny 20 Aogositra. Mpandray anjara mahatratra 400 avy amin'ny sinoda 36 manerana an'i Madagasikara no ho tonga any. Ity fivoriana lehibe ity no hifidianana izay ho mpiandraikitra foibe, sy izay ho filohan'ny FJKM vaovao. Ireo mpizaika no hifidy iretsy mpiandraikitra foibe, ary ireo indray no hifidy izay ho filohan'ny FJKM avy eo. Anarana maro no re fa hilatsaka handray ny toeran'ny pasitera (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva

    mercredi 6 août 2008 | Penjy R. |  610 visites
    Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva Aoka tsy hijery ny hitan'ny maso, fa hidiro lalina ahitana ny tena olana. Fanirian'ny mponina eto andrenivohitra ny andehanan'ireo tompon'andraikitra eto amin'ity tanana ity any amin'ireo tanana maro eto andrenivohitra. Toy ny natao tamin'ireny fampielezan-kevitra ireny, izay saika voatety tao anatin'ny tapa-bolana monja ny fokontany 196. Izay mahavangivangy tian-kavana. Olana toa tsy mba misy mpijery ny mahazo ny faritra maro eto andrenivohitra. Tanana (...)
  • Nahazo ny anjarany

    lundi 4 août 2008 | Penjy R. |  507 visites
    Azo ny tso-drano. Ho atao laharam-pahamehana amin'izay ny fanatanjahan-tena Malagasy. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo. Nandritra ny lanonana natao teny Iavoloha ho fitsofan-drano ireo tanora hiatrika ny lalao Olimpika any China. Nifanohitra tamin'ny teny tany aloha ny teniny tamin'ity indray mitoraka ity, izay nilazany fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina raha nanova Governemanta izy . Tsara izany, satria afaka manantena ny (...)
  • Hita ny sambo Tropicana II

    Feno fofo-paty ny manodidina

    lundi 4 août 2008 | Penjy R. |  1879 visites
    Lakana mpanjono sendra nandalo no nahita ny sambo Tropicana II. Rendrika tao amin'ny ranomasin'i Maroantsetra, ka telo kilaometatra miala an'ny nosy Manga no nahitana azy omaly maraina. Hatramin'ny telo ora hariva, dia mbola tsy nisy ny fisintomana ity sambo ity satria tsy ampy ny fitaovana. Ny vahoaka teo amin'ny manodidina no nandray andraikitra voalohany, ary efa nanaovana antso avo ny tompon'andraikitry ny filaminana rehetra, saingy mbola taraiky hatramin'ny ora hanoratanay. Feno (...)
  • Ho avy ny alakamisy

    Mihorohoro ny mponina

    mercredi 30 juillet 2008 | Penjy R. |  1267 visites
    Lasa minomino foana ny olona. Alarobia anio, ary ho avy tsy ho ela ny alakamisy. Andro izay nisehoan-doza matetika teto amintsika. Na dia natao aza ny tsy hino, dia lasa ihany ny saina mandinika ireto trangan-javatra niseho tao anatin'ny andro vitsy ireto. Tsaroan'ny maro ilay loza nahafaty olona teny amin'ny BANI Ivato ka namoizana ain'olona enina. Andro alakamisy io. Nipoaka ihany koa ilay toeram-piasana, mbola teny Ivato ihany, ka nandratrana mpiasa. Samy nanakoako tamin'ny haino (...)
  • Mosary tsy misy fa kere no betsaka

    mercredi 30 juillet 2008 | Penjy R. |  527 visites
    Mangataka atsy, mitalaho aroa. Io no heverina fa ahatafavoakany firenena, ka hiangaviantsika mafy amin'ireo mpamatsy vola ivelany. Hatramin'ny resaka voly avotra sy ny voly vary, dia tsy vitan'ny herintsika intsony, fa tsy maintsy hilana fanampiana any ivelany. Tsapa io raha nisy ilay fihaonana natao niaraka tamin'ny mpamatsy vola mahazatra ny alatsinainy teo. Teraka teo ny filazan'ny ministra Panja Ramanoelina, fa tsy hisy fiantraikany eo amin'ny resaka mosary ny fiakatry ny vidim-bary? (...)
  • Vola maloto daholo

    lundi 21 juillet 2008 | Penjy R. |  851 visites
    Hifandroritana indray ity resaka vola maloto nambaran'ny filoha ny zoma teo. Inona no atao hoe vola maloto? Isika rehetra no andeha hiara-hamakafaka eto. Misy ny vola azo tamin'ny zava-mahadomelina, ka avadika hanaovana asa sosialy avy eo. Ny mpiara-belona no mahazo tombony amin'ireny, saingy be lavitra noho izany ny azon'ny tompon'ny ati-doha. Tafiditra antsokosoko eto ny vola entina hanakorontanana fanjakana. Vola maloto ihany koa izany. Ny famadihana ny vola maloto ho entina (...)
  • Vola maloto

    samedi 19 juillet 2008 | Penjy R. |  865 visites
    Banky Soisa. Bankin'ny mpanan-karena. Olom-panjakana maro no tompon'ny petra-bola maro ao, ary isan'io ny olo-maventy eto amin'ny firenena. Iza avy izy ireo ? Eo indrindra isika izao, satria dia nilaza ny filoha Ravalomanana fa tsy mahazo mametraka vola any amin'io firenena io intsony ny filoham-pirenena. Hatreto aloha, dia tsy voafaritra mazava, na ny eto Madagasikara irery na ny eran'izao tontolo izao. Midika io teny io, fa famotsiam-bola maloton'ny mpitondra fanjakana ny banky ao Soisa. (...)
  • Mahazo aina ny sekta

    vendredi 4 juillet 2008 | Penjy R. |  1052 visites
    Vola no hozatry ny aina, raha tsy misy io, dia aza manantena ny hiaina intsony. Eo amin'ny sehatry ny fahasalamana no tiana asian-teny eto. Tsy takatry ny kely vola izao ny mitsabo tena. Raha nahita ny fitsaboana naseho ho fantatry ny mpanao gazety ny alarobia teo, izay voalaza fa mahatratra Ar 30tap ny mandidy fo ho an'olona iray ao aminy. Mora io raha mitaha amin'ny fandefasana olona ho didiana any ivelany. Faly ny rehetra nandre, fa hay mahavita sy manana fitaovana arifomba isika eto, (...)
  • Sady kabary no asa

    lundi 30 juin 2008 | Penjy R. |  442 visites
    Ho taonan'ny asa ity taona ity. Fanamby napetraky ny filoha Ravalomanana io, isaky ny mikabary izy. Saika ahitana azy avokoa ny faritra sy ny kaominina rehetra. Ny mpanara-diha azy indray no toa tsy maharaka. Hijoro tsy ho ela ireo fotodrafitr'asa maro isan-karazany, izay heverina fa hitondra fiovana betsaka ho an'ireo kaominina mahazo izany. Mitobaka ny vola etsy sy eroa, izay fanamby ho fanatanerahina ny MAP. Io taona ho avy io, maro ny asa hivaingana, raha tsy misy ny sampona. Isan'io (...)
  • Hofan-trano eny Ivato

    Niakatra 100% Tampoka

    vendredi 27 juin 2008 | Penjy R. |  948 visites
    Hiditra sa hitafo lanitra? Io no fihetsika asehon'ny tompon-trano maro eny Ivato. Raha vao nandre ry zareo, fa hisy fandravana trano maro eny an-toerana, dia roboka amin'ny fanondrotana ny hofan-trano izy ireo. Anio mitatao vovonana ny ora farany tokony hialan'ireo olona mipetraka amin'ny trano ho ravana. Dila io, dia efa mandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin'izany ny fanjakana. Raikitra ny sakoroka amin'ny fitadiavana trano. Izay hita azo hisitrahan'ny loha na ratsy sy kely aza dia (...)
  • Fety etsy, fety eroa

    mercredi 25 juin 2008 | Penjy R. |  534 visites
    Izay kaominina tsy mahay mifety dia eo no raisina. Fifaninana kely mihitsy ny mampifaly ny vahoaka amin'ny vanim-potoana tahaka izao. Afa-boly ny vahoaka, satria ny fety tsy andoavam-bola hita, ny saina mba afaka kely amin'ny adim-piainana. Fety etsy, fety eroa. Aiza indray no ahita fifaliana mihoatra izao. Fety izay heverina fa mampiray ny rehetra. Tsy misy ny miavaka ao anatin'ny maro, fa dia firaisan-kina tanteraka no hita. Ho an'ny eto andrenivohitra, dia hisy ny afomanga goavana anio (...)
  • Manomboka ny fety

    samedi 21 juin 2008 | Penjy R. |  517 visites
    Hifaly havanja indray ny vahoaka Malagasy fa tonga ny fety. Ho lavalava ihany no ahitana fialamboly eto Magasikara amin'ity indray mitoraka ity, satria manomboka androany, dia efa maro ny fety manerana ny kaominina eto Madagasikara. Samy tsy misy manaiky lembenana amin'izany avokoa itony kaominina itony, fa dia hita ho miezaka mampifaly ireo vahoaka ao aminy ireo ben'ny tanàna isan'isany. Tsara izany, satria fifaninana masina. Ny tsy fisian'ny vola ho enti-manana isan-tokantrano efa (...)
  • Mila mailo amin’ity tsipoapoaka ity

    vendredi 20 juin 2008 | Penjy R. |  437 visites
    Akaiky ny fety. Raikitra ny fivarotana tsipoapoaka etsy sy eroa. Saika mampiasa izany avokoa na lehibe na kely, ary fefika azy ny elakelan-trano maro eto amintsika. Misy ny lalàna napetraka hatramin'izay momba ny fivarotana itony « petara » itony, satria maro no tsy mahatanty ny fanapoahana azy etsy sy eroa. Mila mailo anefa amin'izy io, satria ny toy izao no fanararaotan'ny jiolahy amin'ny fandrobana amin'ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Mety ho tena basy no mipoaka, nefa heverin'ny maro (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS