Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Fanjakan’ny Baroa

mardi 12 août 2008 | Penjy R.

Be ny mpanararaotra, fa ny fanaraha-maso koa no tsy ampy. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra. Izay angamba no heverin’ny sasany fa fahalalahana.

Raha vao mandre ny rehetra fa miakatra ny vidin’ny solika, dia ny mby ao antsain’ny rehetra, dia ny ho fiakaran’ny saran-dàlana avy hatrany.
Niakatra ny asabotsy teo ny ankamaroan’ny saran-dàlana manerana an’i Madagasikara. Nahatratra 30% ny fiakatry io saran-dàlana io. Sahirana ny mpandeha maro manoloana izany, satria nisy ny tsy nanam-po amin’io fiakarana io. Midika avy hatrany fa ny kely vola dia tsy afaka hivezivezy manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Hiakatra avy hatrany ihany koa ny vidin’entana mifamezivezy amin’ireny faritra ireny. Ny tsapa dia nisy ireo fiara tsy nampiakatra izany saran-dàlana izany. Ny antony dia voalaza fa tsy maty antoka izy ireo raha mitazona ny sarany amin’izao.
Ny vidin’ny solika isaky ny mpaninjara dia io hiarahana mahita io ny fahasamihafany.

Heverin’ny sasany ho fanjakan’ny Baroa ny eto, ka izay tiany atao no atao. Mila fanaraha-maso hentitra ihany ny tahaka izao, na dia ao anatin’ny fahalalahana aza isika. Ho aiza ny hiafaran’ireto madinika ireto, raha toy izao hatrany no mitranga, na eo amin’ny saran-dàlana io, na ihany koa eo amin’ny vidin’entana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS