Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h00
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva

mercredi 6 août 2008 | Penjy R.

Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva
Aoka tsy hijery ny hitan’ny maso, fa hidiro lalina ahitana ny tena olana. Fanirian’ny mponina eto andrenivohitra ny andehanan’ireo tompon’andraikitra eto amin’ity tanana ity any amin’ireo tanana maro eto andrenivohitra. Toy ny natao tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny, izay saika voatety tao anatin’ny tapa-bolana monja ny fokontany 196.

Izay mahavangivangy tian-kavana. Olana toa tsy mba misy mpijery ny mahazo ny faritra maro eto andrenivohitra. Tanana tena hitoeran’ny fahantrana. Ny haizina amin’ny alina tsy lazaina intsony, satria tapaka ihany koa ny jiro amin’ireny elakelan-trano ireny. Ny tsy fahatsapan-tena eo amin’ny tsirairay tsy lazaina intsony.

Inona no anjara asan’ny sefo fokontany mba hanentanana ny vahoaka ahay hitandrina ny fahadiovana sy ny asa vita ? Hita taratra ihany koa ny fanorenana trano tsy ara-dalana maro eto amin’ny tanana. Hatraiza ny fepetra tokony ampetraka mba hanan’ity renivohitra ity ny maha-izy azy ? Raha ny hita dia ny ivelan’ny tanana fotsiny no kanto sy meva fa ny atiny mahasorena. Feno ny fahefana natolotry ny vahoaka mpitantanana ankehitriny, koa tsy aleo ve mba asiana fitsidihana indray ny tanana rehetra ahitana mivantana ny tena fahorian’ny tanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS