Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h53
 

Teny zato, kabary arivo

Vola maloto

samedi 19 juillet 2008 | Penjy R.

Banky Soisa. Bankin’ny mpanan-karena. Olom-panjakana maro no tompon’ny petra-bola maro ao, ary isan’io ny olo-maventy eto amin’ny firenena. Iza avy izy ireo ? Eo indrindra isika izao, satria dia nilaza ny filoha Ravalomanana fa tsy mahazo mametraka vola any amin’io firenena io intsony ny filoham-pirenena. Hatreto aloha, dia tsy voafaritra mazava, na ny eto Madagasikara irery na ny eran’izao tontolo izao. Midika io teny io, fa famotsiam-bola maloton’ny mpitondra fanjakana ny banky ao Soisa.

Kolikoly etsy kolikoly eroa. Porofo iray tsy azo hialana io tenin’ny filoha Ravalo omaly teny Faravohitra io, fa olo-maventy maro no tena tompon’ny kolikoly. Ny madinika hatrany anefa no heno amin’ireny haza tratry ny BIANCO ireny, fa ny ngezalahy mbola tsy nandrenesam-peo. Ataovy ny mangarahara, satria ady amin’ny famotsiam-bola maloto no atao. Henjana ny fanaraha-maso ny mpiasa madinika amin’ity sehatra iray ity, ary tokony ho toy izany ihany koa ny an’ireo vaventy.

Nanaitra ny maro ihany koa ny nandre omaly fa ho henjana ny fanaraha-maso ireo vola miditra eto. Toa ankolaka no hilazana ireny, fa vola entina hanakorontanana ny firenena hinian’ny sasany ampidirina eto, ka aleo mailo ? Efa fantatra ireo, hoy ny mpitondra.

Iza ireo ? Tsy aleo ve tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka, mba ho mailo ny rehetra. Hatreto aloha, dia maro no tsy te-hieritreritra na maloto io vola io na madio, fa izay hinanan’ny ankohonany no ataony. Mbola porofon’ny fahantrana io, ka aoka tsy ho toraham-bato izy ireny e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS