Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Teny zato, kabary arivo

Manomboka ny fety

samedi 21 juin 2008 |  519 visites  | Penjy R.

Hifaly havanja indray ny vahoaka Malagasy fa tonga ny fety. Ho lavalava ihany no ahitana fialamboly eto Magasikara amin’ity indray mitoraka ity, satria manomboka androany, dia efa maro ny fety manerana ny kaominina eto Madagasikara. Samy tsy misy manaiky lembenana amin’izany avokoa itony kaominina itony, fa dia hita ho miezaka mampifaly ireo vahoaka ao aminy ireo ben’ny tanàna isan’isany. Tsara izany, satria fifaninana masina. Ny tsy fisian’ny vola ho enti-manana isan-tokantrano efa mahazatra iny, fa ny fo sy ny saina no hampiakarina ambony, mba ho tsy ambakan’ny hafa ny fandraisana izany fifaliana izany. Ny mampalahelo, dia maro ny tokan-trano no mbola tsy manangana ny sainam-pireneny. Tsy hoe ny saina no tsy misy, fa ny hakamoana no betsaka. Fiverenan’ny fahaleovan-tena ho antsika io hankalazaina sy hanaovana fety be io, ka tsy tokony hialangalana amin’izany ny isan-tokantrano. Sa hanaporofoina fa na ny saina kely avoaka eo andavarangana aza tsy voavidin’ny Malagasy intsony ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS