Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h03
 

Malagasy

Kaominina Ambanivohitra Andranomiady

Mahantra jerena, fa be arena miafina

vendredi 8 août 2008 |  1309 visites  | Penjy R.
Ny tananan’Andranomiady

« Tsy avela ho faralahy, fa ho vavimatoa ». Fanirian-dramatoa ben’ny tanàna Rafarahaniriana Olivia eo amin’ny kaominina hiadidiany io. Antakavana, toerana iray any amin’ny distrikan’Ankazobe ato anatin’ny faritra Analamanga. Toerana lavitra andriana ary mafana amin’ny asan-dahalo. Noho ity kaominina ity ahiana ho fongana atsy ho atsy noho ny rano mikaoka mandavan-taona ny tanàna, dia nafindra ao Andranomiady ny renivohitry ny kaominina. Maro no tsy dia faly amin’izao fanapahan-kevitra izao ny tao Antakavana, ka mbola manjaka ny disadisa eo amin’ireto tanàna roa ireto.
75 Km miala ao Ankazobe no misy ity kaominina ity. Làlana mideza maharitra ora enina amin’ny fiara 4x4. Tendrony avaratra miala ny faritra Analamanga, ary 170KM miala eto Antananarivo renivohitra. Manana velaran-tany 720 KM tora-droa, ary ahitana mponina 7011. Ny mpifidy voasoratra anarana ao kosa 1992. Ireto kosa no anaran’ny fokontany ao : Antakavana, Maromandia, Ambatoharanana, Anosikely Nord, ary Antaniditra. Vola ho enti-miasa mahatratra 12.361.000.00 Ar no heverina hiditra ao amin’ny kaominina amin’ireo hetra isan-karazany.

Kaominina tsy misy tsena

Kaominina tsy mba misy tsena, ka manenjika aty Ankazobe isaky ny alatsinainy. Mamboly sy miompy ny mponina, saingy raha ny hita dia mbola maro ny mponina no mitorevaka fotsiny, tsy mahalala izay tokony ho atao. Misy sekoly fanabeazana fototra iray izay mijanona eo amin’ny kilasy faha-5. Miakatra ao Ankazobe raha te-hanohy ny fianarana. Fiangonana roa kely izay no ao, Katolika ny iray, izay mahazaka olona 20 eo, ary FJKM ny iray. Io kosa dia olona 50 no zakany.

Mbola manjaka ny resaka Dadarabe satria ny 90% ny mponina no mirona amin’io. Misy toera-pitsaboana iray izay manara-penitra ao, saingy izay olona tena mila fanonjena ihany no tonga mitsabo tena. Madio fitafy kosa anefa ireo mponina fa tsy sanatria misalaka toy ny any amin’ny faritra hafa. Renirano mandalo kilaometra vitsy ny tanàna no atao rano fisotro. Tsy misy lava-drano ao an-tanàna. Vitsy ihany koa ny mampiasa lava-piringa. Atsitokotoko eny ambody goavy ny manga na rotra ny maloto.

Be harena fa tsy voatrandraka

Manana ny harena ankibon’ny tany mampiavaka azy iny distrika iny. Isan’io ny volamena sy ny vato Berila. Ny fambolena, dia ny vary sy ny mangahazo, ary ny vomanga no hifotoran’ny mponina. Misy omby 6000 kosa ao amin’ity kaominina Andranomiady sy Antakavana. Làlana iray handalovan’ny dahalo avy mangalatra omby ity kaominina ity. Avy any Tsiroanomandidy, mipaka hatrany Anjozorobe. Tsy misy mpitandro ny filaminana ao, fa ny vahoaka no samy miaro ny fananany.

Dahalo ny iray tanàna

Noho ny asan-dahalo manjaka any amin’io faritra io, dia voatondro molotra ho dahalo ny iray tanàna. Be ny malahelo vokatry izany, saingy tsy afa-manoatra amin’ny tondro-molotra ny mpandalo. Saika misy isan-kerinandro ny halatra omby, ary ny asabotsy teo, dia omby 20 an’ny sefo fokontany ao Antanaditra no lasibatry ny dahalo. Vatan-dehilahy 80 no nanaraka dian’omby. Fitaovam-piadiana toy ny basim-borona sy fitaovam-piadiana mahery vaika no entin’ny dahalo manafika. Mandroba izay hitany ihany koa ireto dahalo ireto.
Hentitra ny lehiben’ny faritra Analamanga

Ho atao Kaominina filamatra ity, hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga Fidy Ratsimbazafy raha nidina nijery ifotony ny fahavoazan’ny kaominina. Apetraka ny rafitra maty paika, ahombiazana amin’ny fampandrosoana. Niara-dia taminy tamin’izany, ny teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny alarobia teo. Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera sy ny avy eo anivon’ny fiarovam-pirenena. Mila ovana ny toe-tsaina eo amin’ny isam-batan’olona, hoy ity lehiben’ny faritra Analamanga ity. Atao izay ahazoan’ny vahoaka rano fisotro madio. Hamboarina ny làlana. Apetraka ny tetika hiadiana amin’ny asan-dahalo. Tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy handrato fanabeazana sy fahalalana. Lamina hafa no hiatrehana ny fambolena sy ny fiompiana. Vonona ny vahoaka, ary tsy hanaiky ho gisitra amin’izao fifaninana misy eto amin’ny samy kaominina izao. Tsy vitan’ny fanjakana samy irery ny asa fa mila fandraisana andraikitra goavana, hoy kosa ny depiote voafidy tany Ankazobe.
Tetikasa goavana ireo, ary ny fiarahana mientana eo amin’ny rehetra no hampanjary ny asa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS