Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 10 janvier 2026
Antananarivo | 13h01
 

Malagasy

Ho avy ny alakamisy

Mihorohoro ny mponina

mercredi 30 juillet 2008 | Penjy R. |  1354 visites 

Lasa minomino foana ny olona. Alarobia anio, ary ho avy tsy ho ela ny alakamisy. Andro izay nisehoan-doza matetika teto amintsika. Na dia natao aza ny tsy hino, dia lasa ihany ny saina mandinika ireto trangan-javatra niseho tao anatin’ny andro vitsy ireto.

Tsaroan’ny maro ilay loza nahafaty olona teny amin’ny BANI Ivato ka namoizana ain’olona enina. Andro alakamisy io. Nipoaka ihany koa ilay toeram-piasana, mbola teny Ivato ihany, ka nandratrana mpiasa. Samy nanakoako tamin’ny haino aman-jery samy hafa ireo ny andro zoma. Ny alakamisy teo, dia iny niarahana nahita iny ny namoizana ain’olona efetra tamin’ny lalam-pirenena faha 7 ka maty tamin’izany ingahy Gaston Ramaroson sy ireo namany telo. Mbola io andro ihany no nandrenesana ny fahafatesan’i Herizo Razafimahaleo, izay mpanao politika fanta-daza eto amin’ny firenena.

Mety ho maro ny hilaza fa saika misy hatrany ny loza eto Madagasikara isan’andro. Mitombona izany, saingy ny nahazo sehatra tamin’ny haino aman-jery no resahina. Aza mba minomino foana hoy ny hafa, saingy be no torakovira. Nisy ny nangataka ny hanaovana fotoam-pivavahana momba ireo andro maro lasa izay, ary voalaza fa natao io ? Tsy vitsy koa no nanambara fa fifandrifian-javatra ihany ireny. Ny tsy azo lavina, dia maro ny feo heno toy ny hoe "inona indray no hitranga rahampitso alakamisy ?" Ny ao ambony no mandahatra izany, fa ny zava-misy azo tsapain-tànana no nambara teo, mba hialana amin’ny ahiahian’ny maro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}