Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h21
 

Teny zato, kabary arivo

Nahazo ny anjarany

lundi 4 août 2008 |  509 visites  | Penjy R.

Azo ny tso-drano. Ho atao laharam-pahamehana amin’izay ny fanatanjahan-tena Malagasy. Io no nambaran’ny filoha Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny lanonana natao teny Iavoloha ho fitsofan-drano ireo tanora hiatrika ny lalao Olimpika any China.

Nifanohitra tamin’ny teny tany aloha ny teniny tamin’ity indray mitoraka ity, izay nilazany fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina raha nanova Governemanta izy . Tsara izany, satria afaka manantena ny maro fa hiakatra avo amin’izay ny rehetra eo amin’ity sehatra iray ity. Ny finiavana betsaka fa ny vokatra ihany no hifampitsarana. Ny fanatanjahantena no isan’ny fanoitra mampiakatra avo ny voninahi-pirenena. Noraisiny ohatra tamin’izany i Drogba, mpilalao Ivorianina. Mametraka ahiahy ihany anefa ny maro, satria isan’ny ministera kely vola ity ministera iray ity. Mety hisy noho izany ve ny fanitsiana ny vola entina mampihodina ny sehatry ny fanatanjahantena eto Madagasikara ? Raha atao raharaham-panjakana toy ny niseho nandritra ny lalaon’ny nosy farany teo ity fanatanjahantena ity, dia azo antoka fa ho tafakatra amin’ny sehatra ambony, na dia tsy misy mpanazatra vahiny antsoina aza eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS