Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 21h56
 

Teny zato, kabary arivo

Mahazo aina ny sekta

vendredi 4 juillet 2008 | Penjy R.

Vola no hozatry ny aina, raha tsy misy io, dia aza manantena ny hiaina intsony. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana no tiana asian-teny eto.

Tsy takatry ny kely vola izao ny mitsabo tena. Raha nahita ny fitsaboana naseho ho fantatry ny mpanao gazety ny alarobia teo, izay voalaza fa mahatratra Ar 30tap ny mandidy fo ho an’olona iray ao aminy. Mora io raha mitaha amin’ny fandefasana olona ho didiana any ivelany. Faly ny rehetra nandre, fa hay mahavita sy manana fitaovana arifomba isika eto, ary manana mpitsabo havanana amin’ny sehatry ny toy izany. Kivy kosa anefa ankilany, satria firy amin’ny vahoaka Malagasy no mba mahatakatra ny fitsaboana toy izao ? Mangetaheta ambony lakana ny rehetra mahita izany, ka ankinina amin’ilay nahary sisa ny ahavelomana raha sanatria marary. Tsy ho gaga isika raha maro no mandeha mivavaka any amin’ireny sekta ireny, satria toa mahasitrana hono ny vavaka atao any. Mahazo vahana ihany koa ny mpivarotra tapa-kazo atao tambavy, satria hitan’ny Mlagasy maro fa mba manala fanaintainana ihany ny vokatra azo amin’izy ireny.

Hatraiza ny Politika entin’ny fanjakana mba ahazoany fitsaboana ara-dalana ? Miandry ny rehetra, satria ny aina no maha-olona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS