Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h05
 

Teny zato, kabary arivo

Mila mailo amin’ity tsipoapoaka ity

vendredi 20 juin 2008 | Penjy R.

Akaiky ny fety. Raikitra ny fivarotana tsipoapoaka etsy sy eroa. Saika mampiasa izany avokoa na lehibe na kely, ary fefika azy ny elakelan-trano maro eto amintsika. Misy ny lalàna napetraka hatramin’izay momba ny fivarotana itony « petara » itony, satria maro no tsy mahatanty ny fanapoahana azy etsy sy eroa.
Mila mailo anefa amin’izy io, satria ny toy izao no fanararaotan’ny jiolahy amin’ny fandrobana amin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Mety ho tena basy no mipoaka, nefa heverin’ny maro fa tsipoapoaka ihany. Efa maro no nahita faisana tamin’izy itony ka tsy maintsy noferana ny fivrotana azy an-dalambe. Ny tsy fisian’io akory tsy manakana ny vahoaka tsy hifety, satria ny fety ao anatin’ny filaminana no tena zava-dehibe.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS