Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 12h38
 

Teny zato, kabary arivo

Mosary tsy misy fa kere no betsaka

mercredi 30 juillet 2008 | Penjy R.

Mangataka atsy, mitalaho aroa. Io no heverina fa ahatafavoakany firenena, ka hiangaviantsika mafy amin’ireo mpamatsy vola ivelany. Hatramin’ny resaka voly avotra sy ny voly vary, dia tsy vitan’ny herintsika intsony, fa tsy maintsy hilana fanampiana any ivelany. Tsapa io raha nisy ilay fihaonana natao niaraka tamin’ny mpamatsy vola mahazatra ny alatsinainy teo. Teraka teo ny filazan’ny ministra Panja Ramanoelina, fa tsy hisy fiantraikany eo amin’ny resaka mosary ny fiakatry ny vidim-bary ? Dia ho gaga ny rehetra, satria amin’ny olona manam-bola no tsy misy fiantraikany, fa ny vahoaka madinika kosa efa ela no fadiranovana. Ny mosary no tsy misy eto, fa ny kere no betsaka. Ny finiavana mihitsy no sy ampy, ka na dia ny sakafo hampidirina ao ambava aza ve dia hiandrasana ireo mpamatsy vola vahiny ?

Midika ireo fa tany mihemotra isika fa tsy mandroso. Taloha mantsy nahavita tena ara-tsakafo isika fony andron’Andrianampoinimerina. Niray hina ny maro tamin’izany, ka na ny nanao lakan-drano manondraka an’i Betsimitatatra aza vita. Ny mpanjaka nano io anefa tsy mba nanana diplaoma hoy ny hafa, fa dia niadana ny ambanilanitra. Taonan’ny fandrosoana izao. Ny ady amin’ny mosary aza mbola handrasana vahiny. Sa kosa ny finihavana hamokatra no tsy ampy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS