Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Malagasy

Hofan-trano eny Ivato

Niakatra 100% Tampoka

vendredi 27 juin 2008 | Penjy R.

Hiditra sa hitafo lanitra ? Io no fihetsika asehon’ny tompon-trano maro eny Ivato. Raha vao nandre ry zareo, fa hisy fandravana trano maro eny an-toerana, dia roboka amin’ny fanondrotana ny hofan-trano izy ireo.
Anio mitatao vovonana ny ora farany tokony hialan’ireo olona mipetraka amin’ny trano ho ravana. Dila io, dia efa mandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ny fanjakana. Raikitra ny sakoroka amin’ny fitadiavana trano. Izay hita azo hisitrahan’ny loha na ratsy sy kely aza dia hidirana aloha. Trano kely, efitra iray sy lakozia no hofana 100.000ar raha ny antsasaky io ny hofany teo aloha. Ny trano fidiovana amin’izany tsy ambara intsony, fa dia maloto tsy mendrika ho an’ny olombelona. Tafakatra hatrany amin’ny 100% na mihoatra mihitsy ny fanararaotana ataon’ireo tompon-trano eny an-toerana. Soa aloha fa be karama ireo voahaisotra tamin’ny trano nonenany, hoy ny mpitazana, fa raha ny vahoaka tsy manan-katao no tratran’izao, dia angamba nampitombo isa ny mpirenireny etsy Analakely.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS