Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h25
 

Teny zato, kabary arivo

Mifandrangitra

mercredi 13 août 2008 | Penjy R.

« Hitohy ny hetsika. Tsy amelanay raha tsy tafahaona amin’ny vahoaka eto andrenivohitra izahay fikambanan’ny mpanohitra miray. Tafiditra ao anatin’ny vovonay ny fanjakana, ary tsapa fa matahotra ny hivoahan’ny marina ry zareo ».

Lahateny nataon-dry Daniel Ramaromisa sy Marson Evariste ary ny Profesora Zafy Albert io ny alatsinainy teo. Tao anatin’ny hetsika izay saika hikabarian’izy ireo tamin’ny vahoaka tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely. Taitra ny rehetra, fa vory lanona tao Analakely ry mpanohitra isany, rehefa tsy hita nandritra ny fotoana maharitra teto Iarivo. Ny famoriam-bahoaka dia efa ela no tsy nasahiany nanao izany satria ireny niarahana nahita ireny ny daroka nataon’ny ankolafin’olona azy ireo. Zary tsy nisy tohiny intsony ireny fikasihan-tànana mpanao politika sy olom-boafidy tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mai ireny. Isika rehetra angamba dia samy mahatsiaro ny tantara. Ny fanjakana ihany koa etsy ankilany dia tsy manaiky lembenana, ka izay mihanan-kendry dia ny fonja no miandry azy. Porofon’izany ireny tany Fianarantsoa farany teo ireny. Ny vahoaka kosa dia mitazana, izay fifandirana sy ny fifandrangitana ataon’ny andaniny sy ny ankilany.

Inona tokoa no heloky ny fanehoan-kevitra anaty efi-trano ? Tahotry ny fanjakana izay hita fa ao anatin’ny heriny ve, sa ny fiainam-bahoaka tsy mila korontanina ? Tena haneho hevitra malalaka tokoa ve ny mpanohitra sa hanongam-panjakana ? Fanontaniana mivoaka ny vavan’ny vahoaka ireo ka isika no mamaly azy any an-tsaina any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS