Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 07h55
 

Malagasy

Sinôda Fjkm

Hifidy birao vaovao

mercredi 6 août 2008 | Penjy R.
Mety mbola ho voatana amin’ ny toerany ve ny Pasitera RASENDRAHASINA ?

Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny sinoda lehiben’ny FJKM. Any Mahajanga no hanaovana izany, ka hifarana ny 20 Aogositra. Mpandray anjara mahatratra 400 avy amin’ny sinoda 36 manerana an’i Madagasikara no ho tonga any. Ity fivoriana lehibe ity no hifidianana izay ho mpiandraikitra foibe, sy izay ho filohan’ny FJKM vaovao. Ireo mpizaika no hifidy iretsy mpiandraikitra foibe, ary ireo indray no hifidy izay ho filohan’ny FJKM avy eo. Anarana maro no re fa hilatsaka handray ny toeran’ny pasitera Lala Rasendrahasina. Mihevitra izy ireo fa toerana hifandimbiasana no atao eo anivon’ity antokom-pivavahana iray ity, dia ny FJKM izany. Tombana ho an’ny mpizaika ihany izany, fa ny fanampahana avy amin’ireo mpandrindra foibe vao ho lany amin’io ihany no tompon’ny vato farany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS