Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Teny zato, kabary arivo

Vola maloto daholo

lundi 21 juillet 2008 |  855 visites  | Penjy R.

Hifandroritana indray ity resaka vola maloto nambaran’ny filoha ny zoma teo. Inona no atao hoe vola maloto ? Isika rehetra no andeha hiara-hamakafaka eto.

Misy ny vola azo tamin’ny zava-mahadomelina, ka avadika hanaovana asa sosialy avy eo. Ny mpiara-belona no mahazo tombony amin’ireny, saingy be lavitra noho izany ny azon’ny tompon’ny ati-doha. Tafiditra antsokosoko eto ny vola entina hanakorontanana fanjakana. Vola maloto ihany koa izany. Ny famadihana ny vola maloto ho entina hampidirina sy mivoaka eto, nefa tsy fanta-piahaviana, mbola sokajian’ny maro ho vola maloto izany, satria io no hita fa tetika maty paika hanaromana ny fiandohan’ilay fananana. Ny volam-panjakana azo tamin’ny tsy rariny, maloto ireny fa tandremo. Ny hafetsifetsena amin’ny hatsembohan’ny sasany, maloto sa madio. Isika rehetra no hitsara izany.

Raha mahita ny tena zava-misy eto amin’ny firenena anefa isika, dia saika hiainana eto isan’andro ireo. Ny mpitondra rehetra teto hatramin’izay. Moa ve tsy teo amin’ny fitondrana izy ireny vao nahavita villa roa fara-fahakeliny ? Madio sa maloto ny vola nanaovana ireny ? Ny fiara tsara tarehy isan-karazany tsy lazaina intsony. Aiza no tena ahitana ny vola madio ? Any amin’ny mafy ady. Ny antony, dia ireo olona mitrongy vao homana amin’ny karamany isam-bolana no tena hipetrahany ny fahamarinana. Ny antony, dia tsy mba afaka manodim-bola maloto ho madio izy ireny. Tsy afaka mitroatra fa na atody iray aza anaovana afera, dia ny fonja no miandry azy. Mba toy izany ve ny olona sasany ? Tsy ho gaga isika raha raikitra ny ady lahy politika isaky ny misy fiovana eto. Malahelo ilay fihinana, ka inona intsony no antenaina. Soa aloha ho an’ny hafa fa efa nahangona, ka ny mamadika izany ho amin’ny sehatra hafa sisa atao. Tsy izay mitondra rehetra kosa anefa no manao izany, fa ao ny tena miasa amin’ny fitiavan-tanindrazana. Mba tsarao anie ny fananan’izay olona miala eo amin’ny fitondrana e. Inona no fananany raha vao niakatra teo izy ? Isika rehetra mahita izany, ary izay angaha ilay teny hoe nampindramina fahefana ry zalahy. Ny rakitra hatrany ampiangonana aza mbola tafiditry ny vola maloto. Manantena isika fa hangaraharaha ny ampamoaka ireo tena mpanodina vola maloto eto amin’ny tanàna, satria loto no resahina ka ahiana ho maimbo manerana ny tanàna raha mihanaka ny otrik’aretina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS