Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Hita ny sambo Tropicana II

Feno fofo-paty ny manodidina

lundi 4 août 2008 | Penjy R.

Lakana mpanjono sendra nandalo no nahita ny sambo Tropicana II. Rendrika tao amin’ny ranomasin’i Maroantsetra, ka telo kilaometatra miala an’ny nosy Manga no nahitana azy omaly maraina. Hatramin’ny telo ora hariva, dia mbola tsy nisy ny fisintomana ity sambo ity satria tsy ampy ny fitaovana. Ny vahoaka teo amin’ny manodidina no nandray andraikitra voalohany, ary efa nanaovana antso avo ny tompon’andraikitry ny filaminana rehetra, saingy mbola taraiky hatramin’ny ora hanoratanay. Feno fofo-paty ny manodidina ity sambo rendrika ity, izay tsy fantatra na mbola misy razana tavela ao na tsia. Misy tera-tany vahiny maro no niara-rendrika taminy, izay tsara ny milaza fa nisy fanambazana vola be nataon’ny fianankavian’ny maty ho an’izay olona mahita ity sambo ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS