Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Teny zato, kabary arivo

Sady kabary no asa

lundi 30 juin 2008 | Penjy R.

Ho taonan’ny asa ity taona ity. Fanamby napetraky ny filoha Ravalomanana io, isaky ny mikabary izy. Saika ahitana azy avokoa ny faritra sy ny kaominina rehetra. Ny mpanara-diha azy indray no toa tsy maharaka. Hijoro tsy ho ela ireo fotodrafitr’asa maro isan-karazany, izay heverina fa hitondra fiovana betsaka ho an’ireo kaominina mahazo izany.

Mitobaka ny vola etsy sy eroa, izay fanamby ho fanatanerahina ny MAP. Io taona ho avy io, maro ny asa hivaingana, raha tsy misy ny sampona. Isan’io ilay trano fandraisana fivoriana etsy Ivato. Efa vita izy io, ary ireo toerana manodidina sisa no atao. Ny seranam-piaramanidina etsy Ivato izay asiam-panitarana ankehitriny. Ny asa any Tolagnaro izay efa manomboka ilay seranan-tsambo lehibe. Ny Rova ho vita tsy ho ela ihany koa, satria efa manomboka ny fanafoana azy amin’izao fotoana izao. Ny lapan’ny Tanàna, izay fanamby lehibe napetraky ny ben’ny tanàna, fa ho vita ao anatin’ny roa taona. Fiaraha-miasa eo amin’ny ankolafin-kery rehetra ireo, ary tsy adino amin’io ny mpamatsy vola izay mametraka ny fitokisany amin’ny ireo tompon’andraikitra isan-karazany. Sady kabary no asa no hita hatreto. Asa izay heverina fa hisy fikojana amin’izay, fa tsy sanatria ho lany andro hanimba eto isika mianakavy. Ho diso ve ny fomba fijery, raha tsy mahita ben’ny tanàna miditra amin’ny fanoherana intsony isika, satria ny kaominina misy azy no zary ho sorona vokatry izay ? Mbola maro ny asa handrasan’ny vahoaka amin’ireo olona nametrahany fitokisana, ary mino isika fa ho voajery ihany koa ny lafiny ara-nofo, satria raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS