Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 07h54
 

Teny zato, kabary arivo

Fety etsy, fety eroa

mercredi 25 juin 2008 | Penjy R.

Izay kaominina tsy mahay mifety dia eo no raisina. Fifaninana kely mihitsy ny mampifaly ny vahoaka amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Afa-boly ny vahoaka, satria ny fety tsy andoavam-bola hita, ny saina mba afaka kely amin’ny adim-piainana. Fety etsy, fety eroa. Aiza indray no ahita fifaliana mihoatra izao. Fety izay heverina fa mampiray ny rehetra. Tsy misy ny miavaka ao anatin’ny maro, fa dia firaisan-kina tanteraka no hita. Ho an’ny eto andrenivohitra, dia hisy ny afomanga goavana anio hariva. Ny avy amin’ny kaominina manodidina, dia hiakatra eto andrenivohitra avokoa. Midika io, fa ny eto andrenivohitra no tena goavana. Ny hirariana, dia fety mahafinaritra no hitsenana ny datin’ny 26 Jiona izay niverenan’ny fahaleovantena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS