Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h52
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Mitabe tsy lanin’ny fahantrana

    lundi 16 juin 2008 | Penjy R. |  668 visites
    Misokatra ny varavarana ho an'ny olona tsara sitrapo rehetra. Ny finiavana hanao asa ho an'ny tanindrazana no tian'ny filoham-pirenena apetraka, ary tsy voatery ao anaty fitondrana vao afaka hiasa ho an'ny firenena. Teny efa fandre matetika io amin'ny antso nataon'ny filoha ankehitriny manoloana ny mpanohitra eto Madagasikara. Hatramin'izao anefa dia mbola mihenjan-droa ny tady eo amin'ny andaniny sy ny ankilany, na dia hita aza fa samy te-hametraka ny hambom-pony anjorom-bala fa ny (...)
  • Ahiahy tsy hiavanana

    vendredi 13 juin 2008 | Penjy R. |  566 visites
    Mitohy ny fiofanana ataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin'ny faritra. Ny ben'ny tanàna no tena hifantohan'io fiofanana io, ary eo ihany koa ireo tompon'andraikitra isan-karazany toy ny mpitandro ny filaminana izay heverina fa tsy afa-misaraka amin'ny asa fampandrosoana eny anivon'ny faritra sy ny kaominina eny. Tsara ny fiofanana, satria fianarana hatrany ny fiainana, ary tsy nisy nateraka ahay hatrany ankibon-dreniny. Ny maika ny any ambanivolo, dia ny fametrahana ny barazy (...)
  • Lasa izao raha tsy mibolisatra

    jeudi 12 juin 2008 | Penjy R. |  780 visites
    Miaiky ny maro, fa mahay miresaka ny mpitondra antsika. Resiny lahatra avokoa izao tontolo izao, ary dia nirotsaka ny vola entina hanampiana ny tetikasa izay ho atao eto, dia ny MAP izany. Tafapetraka amin'ny tokony ho izy amin'izay i Madagasikara, hoy indray ny litanian'ny fanjakana. Ny mpamatsy vola aza niaiky izany, fa manana ny anjara toerany ity firenena malalantsika ity. Tsy misy intsony izany izao ny sakana, satria efa tafapetraka avokoa ny rafitra isan'ambaratongany. Ny olom-boafidy (...)
  • Nahazo aina

    mardi 10 juin 2008 | Penjy R. |  612 visites
    Rehefa tsy resy dia izay no zava-dehibe. Io no nanakoako tao ambavan'ny maro omaly momba ny lalao baolina kitra natao ny alahady lasa teo. Fihaonana izay nisarahana ady sahala tamin'i Cote d'Ivoire izay heverina fa mpilalao atahorana aty Afrika. Niezaka ny boay kely, ka ady sahala samy tsy nisy nitoko no hita tetsy Mahamasina.Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao malagasy, ka nahafaly ny maro, na dia hita aza fa mbola any amin'ny laharana faha-telo no misy antsika. Zatra ny nahita ny (...)
  • Lesona azo raisina

    lundi 9 juin 2008 | Penjy R. |  616 visites
    Vory ny vahoaka teo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena omaly tontolo ny andro. Nanjaka ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina teo amin'ny rehetra. Resy ny tsy fitovian-kevitra samy hafa. Nanomboka ny maraina, nandritra ny hazakazaka niainga tetsy Anosy nifarana teny Alarobia. Nitohy tamin'ny lalao baolina kitra tetsy Mahamasina, dia niray feo ny Malagasy nanambatra ny hery hampiakatra avo ny fanatanjahan-tena Malagasy. Niray hina ny hevitra tsy nitovy teo amin'ny lafiny fiainam-pirenena, (...)
  • Mahantra ambony harena

    vendredi 6 juin 2008 | Penjy R. |  839 visites
    Nosy maitso, nosy mavana, ary nosy manan-karena. Io no hiantsoan'ny vahiny ity Madagasikara misy antsika ity. Firenena manana ny maha izy azy, saingy toa tsy haintsika ny mampiasa ireo harena nomen-janahary antsika. Inona no harena tsy hita eto ? Ny solika aza efa miboiboika avy any ambanin'ny tany, saingy ny vahiny no mahazo vahana amin'izany. Toy izany koa ireo harena sesehena izay trandrahina ao Moramanga sy ao Ambatovy, ary Tolagnaro. Vola be no entin'ny vahiny mitrongy ireo harena (...)
  • Kaominina Ambohimalaza Miray

    Ho vitaina ny sekoly sy fampidiran-jiro

    mercredi 4 juin 2008 | Penjy R. |  356 visites
    Izay nampanantenaina tsy maintsy vitaina. Hiroso amin'ny fifaninanana masina ny kaominina hiadidiako, hoy ny ben'ny tanàna Ramanantsoa Mbola, satria asa ilain'ny vahoaka no atao. Apetraka ny sekoly lehibe, ary hampidirina ny jiro amin'ireo fokontany mbola tsy nahazo izany. 12 ny fokontany eny amin'ity kaominina ity, ary mbola misy 7 no tsy nahazo hazavana. Tao anatin'ny enim-bolana voalohany izay, dia efa vita ny trano famakiam-boky, nohatsaraina ny biraon'ny kaominina, ary misy ny trano (...)
  • Ho tapahina ny karama

    lundi 2 juin 2008 | Penjy R. |  622 visites
    Tsy hihemotra amin’ny fitakiana ataonay izahay. Io no heno tamin’ny fanambarana nataon’ny mpiasan’ny Jirama. Ny zo maha-olona mihitsy no voakitika ka tsy azo leferina. Na dia efa nisy aza ny fanelanelanana nataon’ny tompon’andraikitry ny ministera misahana ny asam-panjakana dia hita ho niala maina ihany izy ireo. Tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, ka ny vahoaka mpanjifa no mizaka ny vokany. Manoloana ity fitokonana ity, dia mandeha ny feo fa mety ho tapahina ny (...)
  • Hijanona ho bado ny tantsaha

    samedi 31 mai 2008 | Penjy R. |  597 visites
    Izay tsy mahay Informatika ny taona 2000 dia naman'ny bado. Teny nentina hidiran'ny olona amin'ny fahaizana ny resaka Informatika io. Niroborobo ny fidiran'ity sehatra ity tetsy sy teroa, ka zary nahazo ny tandrify azy ny mponina anranan-dehibe. Tsy vitsy ihany koa anefa no mbola tsy mahay izy ity ny mponina andrenivohitra an. Hijanona ho bado hatrany ny tantsaha. Ny antony, dia na ny fahaizana mamaky teny sy manoratra aza mbola ny 80% ny mponina any tsy mahay ireo. Izay mba mahay manoratra (...)
  • Hiofana aiza ireo tratra farany ?

    vendredi 30 mai 2008 | Penjy R. |  441 visites
    Telo nipetraka telo nandeha. Io no vokatry ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana ny alarobia lasa teo. Tsy mora ny fandinihina ny atotan-taratasy natao, matoa aty amin'ny faran'ny volana Mey vao nivoaka ny izany didy izany. Efa nandray ny andraikiny momba ny fitantanana ny kaominina ireo ben'ny tanana telo noesorina indray tamin'ny toerany ireo. Ireny niarahana nahita ireny ny fiofanana nataon'izy ireo teny Iavoloha nandritra ny roa andro. Efa nisy ny fametrahan'ny (...)
  • Zakahely Boniface

    Rahoviana no esorina ny zo « Tsy azo kitihana » ?

    jeudi 29 mai 2008 | Penjy R. |  445 visites
    Hifantoka etsy Tsimbazaza indray ny mason’ny mpanara-baovao. Hihaona mivantana ny Governemanta sy ny depiote. Ny tatitry ny asa vita sy ny mbola ho atao no hifantohan’ny fihaonana. Isan’ny ahasarika ny sain’ny maro ihany koa ny momba ny zava-nitranga nahazo ny depiote Zakahely izay nalefa any amin’ny fonjan’Ambalatavohangy ny alahady teo. Tsy vao izao no nahitana depiote nahiditra am-ponja teo am-perin’asa, fa efa nihatra tamin’ny depiote Voninahitsy io. Mbola any am-ponja ihany koa ity lehilahy (...)
  • Tsy ampy fitaovana

    mardi 27 mai 2008 | Penjy R. |  466 visites
    Io indray ny afo be. Tetsy Ankorondrano indray no nahitana firehetana omaly, ka niteraka fahavoazana ho an’izay tratry ny afo. Tonga ara-potoana ihany anefa ny mpamonjy voina, ka tsy nihitatra firy ity afo ity. Tao ho ao dia nahitana fahapotehana fananana momba ny haitrano ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina. Isan’io ny tetsy Tanjombato sy Tsaralalàna. Dia io niseho io indray ny tetsy Ankorondrano. Manana ny fitaovana ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna, saingy azo heverina fa tsy ampy (...)
  • Fitanterana

    Resaka fotsiny no bobaka

    lundi 26 mai 2008 | Penjy R. |  565 visites
    Ady hevitra tsy nisy tahaka izany. Ny herin’ny fahefana rehetra no manao litania amin’ny haino aman-jery mba hiarovana ny ain’ny vahoaka eo amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana. Inona no vokany, maty ihany vahoaka tsy manan-tsiny. Naiditra am-ponja ireo nahafaty olona. Henjana ny sazy nomena azy, nefa toa tsy maharesy lahatra ny mpamily ny vokany. Miseho ho mahay noho ny hafa ka ny fandehanana mafy no grady heveriny ho azo. Tsy ny eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny zotra nasionaly. Maty (...)
  • Sheritt Ambatovy

    Filipiana 5 000 hiasa eto

    mercredi 21 mai 2008 | Penjy R. |  760 visites
    Ho avy eto Madagasikara ireo mpiasa tsy an’asa mahatratra 5 000 avy any Filipina. Asa momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no ataony eto. Torakovitra ny mponina any Ambatovy sy ny manodidina. Voalohany dia ho maro ny mpiasa Malagasy no ho very asa tsy fidiny manoloana ny fidiran’ny vahiny be loatra any amin’io toerana io. Eo ihany koa ny mety hanjakazakan’ireto vahiny ireto amin’ny teratany Malagasy, ary farany dia ny mety hiparitahan’ny valan’aretina toy ny SIDA amin’ireo mponina eto (...)
  • Mahantra be famindram-po

    Nanampy an’ny China ara-bola i Madagasikara

    mercredi 21 mai 2008 | Penjy R. |  710 visites
    Voikava-mahatratra tokoa, ary mariky ny fifankatiavan’ny China sy i Madagasikara no nanampiana ity firenena iray ity. Vokatry ny horohoron-tany niseho andro vitsy tany amin’io firenena isan’ny matanjaka io ka namoizana ain’olona maro, dia nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa dolara i Madagasikara. Ny ministry ny raharaham-bahiny Malagasy, Ranjeva Marcel, no nanolotra izany ny masoivoho Sinoa miasa sy monina eto amintsika. Firenena azo hambara fa mifanampy ny roa tonta ka izay no tsy (...)
  • Hetsika sendikaly

    Ar 400.000 ny karama farany ambany

    mardi 20 mai 2008 | Penjy R. |  1071 visites
    «Tsy ampy intsony ny fitakiana ny karama farany ambany ho Ar 210.000 ». Io no nambaran’ingahy Florentin, mpitarika sendika manoloana ny fiakatry ny vidim-piainana ankehitriny. Tsy mijanona tamin’ny 1 mey iny ihany no tolona sendikaly, fa hitohy. Ho raiketina an-taratasy ireny fitakiana ireny, dia alefa eny anivon’ny mpampiasa sy ny fanjakana. Izy ireo indray no mandinika ny mety ho tombontsoan’ny mpiasa. 18 tapitrisa mahery isika eto Madagasikara nefa 0,5% no mpiasam-panjakana. Rariny raha (...)
  • Lapan’ny tanàna

    Hijanona ho faritra mena

    lundi 19 mai 2008 | Penjy R. |  1024 visites
    Faly ny maro fa harenina ny lapan’ny tanàna. Roa taona dia ho vita ny asa, ary nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny filoha Ravalomanana. Vonona ny tenako handray ny andraikitra amin’ny fanarenana hoy ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, ary fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola no ahavita izao asa izao. Ny asa no hanomboka, fa ny tantara ara-politika kosa hanao ahoana ? Maro ny mpanao politika no nanambara fa tokony hipetraka ho faritra mena io toerana io mba ho fiarovana ny asa izay hatomboka eo. Raha (...)
  • Fonjan’ny Tsiafahy sy ny gadra politika

    Ny mivavaka ny tena andanian’izy ireo andro

    vendredi 16 mai 2008 | Penjy R. |  990 visites
    Izay iray aina iray vatsy. Olona natambatry ny politika ao amponja ireo fianankavianay ireo, ka tsy tokony hanangana fahavalo ho an’ny tenany ny rehetra. Vadin’olona ambony teto amin’ny firenena manana havana migadra ao Tsiafahy no nilaza izany tamin’ny mpanao gazety omaly. « Hanaterana sakafo manta toy ny vary sy hena ary voamaina ny havanay, ary izy io indray no mifampitsimbina amin’ny ireo namany ao amponja ». Ankoatry ny korana fanalana andro, dia ny vavaka no tena mibahana ao amin’ny (...)
  • Fanarenana ny lapan’ny tanàna

    2 taona no hamitana azy, ary vola Ar 2,5 miliara no ilaina

    jeudi 15 mai 2008 | Penjy R. |  885 visites
    Ny sabotsy izao no hapetraka ny vato fototra hanarenana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Vola Ar 2,5 miliara no ho entina manangana izany, ary tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 2 taona. Vola avy amin’ny FAR sy avy amin’ny fitondram-panjakana no voalaza fa hanarenana ity lapa may ity. Ny fitondrana Alemana ihany koa dia hanampy betsaka amin’ny fampitaovana amin’ny fanarenana ny lapan’ny tanàna etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina no hametraka io vato fototra io, ary (...)
  • Lalàm-pifidianana

    Tsy maika intsony ny depiote

    mercredi 14 mai 2008 | Penjy R. |  276 visites
    Kely finoana ny maro ny mety hisian'ny fandinihana ny fanitsiana ny lalàm-pifidiana etsy Tsimbazaza. Maro ny nanao tolon-dalàna amin'ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana eto amintsika, nefa raha ny resaka natao tamin'ireo depiote teny an-toerana, dia mbola tsy dia maika loatra izy amin'izao, satria efa vita tanteraka ny fifidianana eto Madagasikara. Tolo-dalàna maro no dinihana manomboka izao, saingy mbola tsy laharam-pahamehana aloha hatreto ny momba io lalàna iray io. Voafetra ihany koa ny (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | ... | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS