Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h51
 

Teny zato, kabary arivo

Mahantra ambony harena

vendredi 6 juin 2008 | Penjy R.

Nosy maitso, nosy mavana, ary nosy manan-karena. Io no hiantsoan’ny vahiny ity Madagasikara misy antsika ity. Firenena manana ny maha izy azy, saingy toa tsy haintsika ny mampiasa ireo harena nomen-janahary antsika.

Inona no harena tsy hita eto ? Ny solika aza efa miboiboika avy any ambanin’ny tany, saingy ny vahiny no mahazo vahana amin’izany. Toy izany koa ireo harena sesehena izay trandrahina ao Moramanga sy ao Ambatovy, ary Tolagnaro. Vola be no entin’ny vahiny mitrongy ireo harena ireo, nefa mby aiza ny vokany mipaka any amin’ny vahoaka tompon-tany ? Mihazakazaka mankany ivelany ny mpitondra antsika, izay mangataka izay voatsirambin’ny tanan’ny mpamatsy vola ivelany. Aratiranty etsy sy eroa ny MAP mba hisintomana ny vahiny hampiasa vola eto Madagasikara. Misy ny tonga, ary mbola maro ny misalasala. Ny fampandrosoana anefa tsy hiandrasantsika vahiny avy any ivelany, fa miankina amin’ny fahavononantsika Malagasy ny amin’io. Tsy hisy firenena na olona hihevitra fa andeha hampanan-karena firenena iray na olona iray eto ambonin’ny tany, fa ny tombontsoany aloha vao ny anao. Matoa mitrandraka ny harentsika izy ireny, dia ny hampanan-karena ny orin’asany na ny fireneny no tanjony. Koa nahoana no avela ny hafa ny hanjaka amin’ny harentsika ? Mahantra ambony harena isika, satria tsy haintsika ny mamadika ireo harena ireo ho tombontsoam-bahoaka. Moa ve mba afaka mitrandraka ny haren’ireo firenena ireo any amin’ny taniny isika eto Madagasikara ? Miditra any aminy aza mbola sarotra ny fakana taratasy, nefa ny harentsika robainy toa tsy mahasarotiny antsika. Avereno ny firaisan-kina toy ny tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, ka na tsy nanana BAC aza izy nahavita ny lemaky Betsimitatatra, izay tsy nilana fanampiana avy any ivelany. Atambaro ny hery, ary izay mahavita omeo sehatra fa tsy sanatria hanjakan’ny resaka politika lava ny tontolo manodidina, ka tsy hita taratra ny anjara andraikitry ny tsirairay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS