Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h28
 

Teny zato, kabary arivo

Ahiahy tsy hiavanana

vendredi 13 juin 2008 | Penjy R.

Mitohy ny fiofanana ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny faritra. Ny ben’ny tanàna no tena hifantohan’io fiofanana io, ary eo ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-karazany toy ny mpitandro ny filaminana izay heverina fa tsy afa-misaraka amin’ny asa fampandrosoana eny anivon’ny faritra sy ny kaominina eny. Tsara ny fiofanana, satria fianarana hatrany ny fiainana, ary tsy nisy nateraka ahay hatrany ankibon-dreniny. Ny maika ny any ambanivolo, dia ny fametrahana ny barazy mba ahazoany rano manondraka ny velaran-tany maro hambolena toy ny vary sy ny hanikotrana maro samihafa. Ny tsy fisian’io no fototry ny tsy fahampian-tsakafo eto, satria ritra ny rano hanamando ny tany. Efa nisy ihany izy ireny tany aloha, saingy ritra sy hanirian’ny kirihitra ankehitriny, noho ny tsy fisian’ny fikojakojana. Mila vola manokana toy ny fikojakojana ny làlana izy ireny. Eo ihany koa ny fitsaboana tsy ampy sy ny rano fisotro madio. Ny fampidirana herinaratra sy ny fampianarana. Maika ireo amin’ny vahoaka, fa tsy sanatria ka zary ho haingom-boky ao anatin’ny MAP fotsiny. Mila vola be ny fametrahana ireny fotondrafitrasa ireny, raha te-ho tafavoaka amin’ny fahantrana.

Midadasika i Madagasikara, ka azo atao tsara ny mamboly amin’ireo faritra ireo, nefa mila finiavana betsaka mba tsy aina very maina ny an’ny mpandraharaha izay mamokatra ny tany. Izay no ilàna ny hanajoroana ny fikambanan’ny tantsaha hanajary ny sehatra maro eto amintsika, ary mila ampiana ara-pitaovana izay olona vonona hiasa. Ny ahiahy tsy hihavanana no hilazana ireo, sao tsy ny tena maika amin’ny vahoaka no hiantefan’ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS