Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h03
 

Malagasy

Sheritt Ambatovy

Filipiana 5 000 hiasa eto

mercredi 21 mai 2008 | Penjy R.

Ho avy eto Madagasikara ireo mpiasa tsy an’asa mahatratra 5 000 avy any Filipina. Asa momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no ataony eto.
Torakovitra ny mponina any Ambatovy sy ny manodidina. Voalohany dia ho maro ny mpiasa Malagasy no ho very asa tsy fidiny manoloana ny fidiran’ny vahiny be loatra any amin’io toerana io. Eo ihany koa ny mety hanjakazakan’ireto vahiny ireto amin’ny teratany Malagasy, ary farany dia ny mety hiparitahan’ny valan’aretina toy ny SIDA amin’ireo mponina eto amintsika. Hiarahan’ny rehetra mahalala ny zava-misy any Tolagnaro amin’izao fotoana izao, fa saika voaviravira tanteraka ny zaza Malagasy eo amin’ny firaisana ara-nofo. Tsy maharitra ny mena miraviravy ny tanora eto amintsika.

Ry zareo eo anivon’ny FISEMARE, dia manao antso avo amin’ny mpitondra malagasy ny hijerena haingana izao raharaha izao, satria ny mpiasa Malagasy mihitsy no ho very manoloana ny fidirana mpiasa vahiny tahaka izao.
Raha isika no nitady asa tany ivelany teo aloha, dia ny vahiny indray izany no mihazakazaka eto. Sa mora hitadiavam-bola eto Madagasikara ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS