Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h47
 

Teny zato, kabary arivo

Lesona azo raisina

lundi 9 juin 2008 | Penjy R.

Vory ny vahoaka teo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena omaly tontolo ny andro. Nanjaka ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina teo amin’ny rehetra. Resy ny tsy fitovian-kevitra samy hafa. Nanomboka ny maraina, nandritra ny hazakazaka niainga tetsy Anosy nifarana teny Alarobia. Nitohy tamin’ny lalao baolina kitra tetsy Mahamasina, dia niray feo ny Malagasy nanambatra ny hery hampiakatra avo ny fanatanjahan-tena Malagasy.

Niray hina ny hevitra tsy nitovy teo amin’ny lafiny fiainam-pirenena, fa dia niaraka nihazakazaka ny maraina, ary niray toerana indray nanohana ny Barean’i Madagasikara ny hariva. Tomefy olona izay nolalovana, ary hita fa samy niaro ny vonahitry i Madagasikara ny rehetra. Haintsika ny manohana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena koa nahoana no tsy haintsika ihany koa ny manambatra ny hery hiadiana amin’ny fahantrana ? Rehefa tafita toy ireny ny firaisan-tsaina dia hay ny mandresy ny sarotra. Mitabe tsy lanin’ny tsy fahampian-tsakafo, koa atodiho any amin’ny tena fampandrosoana ny herintsika rehetra tsy ahitana fizarazarana, fa ho mora ny hanarina ity Madagasikara ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS