Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Teny zato, kabary arivo

Hiofana aiza ireo tratra farany ?

vendredi 30 mai 2008 | Penjy R.

Telo nipetraka telo nandeha. Io no vokatry ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny alarobia lasa teo. Tsy mora ny fandinihina ny atotan-taratasy natao, matoa aty amin’ny faran’ny volana Mey vao nivoaka ny izany didy izany.

Efa nandray ny andraikiny momba ny fitantanana ny kaominina ireo ben’ny tanana telo noesorina indray tamin’ny toerany ireo. Ireny niarahana nahita ireny ny fiofanana nataon’izy ireo teny Iavoloha nandritra ny roa andro. Efa nisy ny fametrahan’ny tompon’andraikim-panjakana ny samboady ireto ben’ny tanana ireto, nefa dia ho esorina indray izay efa nisalorana. Ny marina anefa marina ihany, ka handray ny andraikiny manomboka izao izany ireto ben’ny miisa telo ireto. Hiofana aiza izy ireo, sa avelao hampihantra ny fahaizana momba ny fitantanana ry zalahy ireto ? Fifaninana no atao amin’ny asa eny anivon’ny kaominina koa mety ho tratra aoriana ve ireto farany ireto ? Mino anefa isika fa nisy asa efa natomboky ny nodimbiasana ao, ka tsy hananosarotra ny famindrana ny fanilo manomboka eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS