Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 11h46
 

Malagasy

Hetsika sendikaly

Ar 400.000 ny karama farany ambany

mardi 20 mai 2008 | Penjy R.

« Tsy ampy intsony ny fitakiana ny karama farany ambany ho Ar 210.000 ». Io no nambaran’ingahy Florentin, mpitarika sendika manoloana ny fiakatry ny vidim-piainana ankehitriny. Tsy mijanona tamin’ny 1 mey iny ihany no tolona sendikaly, fa hitohy. Ho raiketina an-taratasy ireny fitakiana ireny, dia alefa eny anivon’ny mpampiasa sy ny fanjakana. Izy ireo indray no mandinika ny mety ho tombontsoan’ny mpiasa. 18 tapitrisa mahery isika eto Madagasikara nefa 0,5% no mpiasam-panjakana. Rariny raha hampiakarina ho Ar 400.000
latsaka kely ny kara farany ambany ho an’ny mpiasam-panjakana. Ny 56% amin’io dia lany amin’ny sakafo, ary ny 7% kosa dia atokana amin’ny fitaterana. Ny fahasalamana sy ny hofatrano ny ambiny io.

« Tsy manonofy izahay raha mitaky ity mari-karama farany ambany ity, satria isan’ny mampiditra hetra betsaka ny vahoaka malagasy, ary rariny raha mba omena sehatra amin’izao ngidin’ny fiainana izao ny mpiasa. Vitan’ny fanjakana ny manao izany raha toa ka eo amin’izy ireo ny finiavana hampakatra ity karama farany ambany ity », hoy ihany izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS