Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Fitanterana

Resaka fotsiny no bobaka

lundi 26 mai 2008 | Penjy R.

Ady hevitra tsy nisy tahaka izany. Ny herin’ny fahefana rehetra no manao litania amin’ny haino aman-jery mba hiarovana ny ain’ny vahoaka eo amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana. Inona no vokany, maty ihany vahoaka tsy manan-tsiny.

Naiditra am-ponja ireo nahafaty olona. Henjana ny sazy nomena azy, nefa toa tsy maharesy lahatra ny mpamily ny vokany. Miseho ho mahay noho ny hafa ka ny fandehanana mafy no grady heveriny ho azo. Tsy ny eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny zotra nasionaly. Maty ny mpanao gazety namana, ary ny olon-tsotra tsy lazaina intsony. Ny saofera no azo lazaina fa tena maha-kamboty vahoaka eto. Mba narahiny ve ny fiofanana nampanaovina azy ireo, sa natao haingitraingitra ? Toa vao maika nampi-zesta an-dry lemontana ny fampanaovana kiravato azy, indrindra indrindra fa misy vehivavy izay eo anilany. Enga anie mba tsy ho resaka fotsiny no bobaka momba ireny fikaonan-doha sy baiko hentitra nomena momba ny fiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ireny fitateram-bahoaka ireny. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny namanay maty noho ny an-tandrevaka nataon’ny mpamily sasany izahay eto amin’ny Madagascar Tribune.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS