Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 10h34
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy ampy fitaovana

mardi 27 mai 2008 | Penjy R.

Io indray ny afo be. Tetsy Ankorondrano indray no nahitana firehetana omaly, ka niteraka fahavoazana ho an’izay tratry ny afo. Tonga ara-potoana ihany anefa ny mpamonjy voina, ka tsy nihitatra firy ity afo ity. Tao ho ao dia nahitana fahapotehana fananana momba ny haitrano ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina. Isan’io ny tetsy Tanjombato sy Tsaralalàna. Dia io niseho io indray ny tetsy Ankorondrano. Manana ny fitaovana ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna, saingy azo heverina fa tsy ampy ireo, raha tsy hiteny afa-tsy ny tsy fahampian’ny rano. Manano sarotra ihany koa ny miditra amin’ny toerana elakelan-trano izay ahitana ny voina, nefa mbola azo deraina ny ezaka ataon’ireto mpamonjy voina ireto.

Ilaina ny fanomezana fitaovana ampy azy ireo, ary indrindra ny fanampiana ireo toerana ahazoana maka rano haingana, mba hisoroana ny voina mateti-
pitranga. Angamba tsy hilàna mpamatsy vola ny toy izany, fa mba isan’ny firenena manana ny maha-izy azy isika ka vitan’ny hafa ve tsy ho vita eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS