Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h14
 

Malagasy

Kaominina Ambohimalaza Miray

Ho vitaina ny sekoly sy fampidiran-jiro

mercredi 4 juin 2008 | Penjy R.

Izay nampanantenaina tsy maintsy vitaina. Hiroso amin’ny fifaninanana masina ny kaominina hiadidiako, hoy ny ben’ny tanàna Ramanantsoa Mbola, satria asa ilain’ny vahoaka no atao. Apetraka ny sekoly lehibe, ary hampidirina ny jiro amin’ireo fokontany mbola tsy nahazo izany. 12 ny fokontany eny amin’ity kaominina ity, ary mbola misy 7 no tsy nahazo hazavana. Tao anatin’ny enim-bolana voalohany izay, dia efa vita ny trano famakiam-boky, nohatsaraina ny biraon’ny kaominina, ary misy ny trano ahafahana mifanerasera amin’ny maro.

Manana ny mampiavaka azy ity kaominina ity, ary mila tandrovina izany. Tsy ho atao ambanin-javatra ny fankalazana ny fetim-pirenena, ary manomboka androany dia efa mametaka ny sainam-pirenena isam-baravarana ny vahoaka. Hisy araky izany fety be eo an-tanàna manomboka ny datin’ny 23 ka hatramin’ny 26 jiona izao. Tsy maintsy azonay ny voalohany amin’ny asa fampandrosoana hoy ity ben’ny tanàna ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS