Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 10h53
 

Teny zato, kabary arivo

Lasa izao raha tsy mibolisatra

jeudi 12 juin 2008 | Penjy R.

Miaiky ny maro, fa mahay miresaka ny mpitondra antsika. Resiny lahatra avokoa izao tontolo izao, ary dia nirotsaka ny vola entina hanampiana ny tetikasa izay ho atao eto, dia ny MAP izany.

Tafapetraka amin’ny tokony ho izy amin’izay i Madagasikara, hoy indray ny litanian’ny fanjakana. Ny mpamatsy vola aza niaiky izany, fa manana ny anjara toerany ity firenena malalantsika ity. Tsy misy intsony izany izao ny sakana, satria efa tafapetraka avokoa ny rafitra isan’ambaratongany. Ny olom-boafidy tsy TIM efa manara-kefa izay ataon’ny maro an’isa. Tsy afaka mikofoka intsony izay maneho hevitra eto, ka tsy izay ve no mahazo ny mpanohitra ankehitriny. Saika ny avy ao amin’ny antoko TIM avokoa no mandrafitra ny andrim-panjakana rehetra, izany hoe tsy hisy volo manohariana intsony eo amin’ny fanarahana maso ny mpanan-tanteraka. Hizotra antsakany sy andavany ny fanaovan-dalana, ary aiza indray no hisy tahaka izany ? Nirotsaka ny dolara, atombohy ary ny asa fa efa sasatry ny miandry ilay fiovana ao anatin’ny 5 taona ny vahoaka. Ho hita taratra manomboka izao ny fahatsaran’ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, fianam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Hianaka any ambanivolo rehetra any ny angovo hanome hazavana ho an’ny faritra ivelan’ny renivohitra. Isan’ny hita ao amin’ny teny hifanomezan’ny MAP avokoa ireo, ary antony nanaovana ireny fangatahana goavana tamin’ny mpamatsy vola ireo. Lasa izao raha tsy mibolisatra hoy ny mpitazana. Hibolisatra ahoana moa, satria olona manana ny fahaiza-manaony ireto mandrafitra ny andrim-panjakana isan-karazany, ary toy izany koa ny isaky ny faritra. Ny kaominina efa nampiana ireo vola fanomen’ny fanjakana azy, ary iza amin’ny vahoaka no tsy liam-pandrosoana. Hatreto dia hitazana sy hitsara ny asa vita amin’izay isika, fa tsy sanatria hambara na ahilika any amin’ny hafa indray raha sanatria misy tsy fahombiazana. Sa mbola misy andrasana amin’ny asa tokony ho atao eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS