Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Teny zato, kabary arivo

Nahazo aina

mardi 10 juin 2008 |  612 visites  | Penjy R.

Rehefa tsy resy dia izay no zava-dehibe. Io no nanakoako tao ambavan’ny maro omaly momba ny lalao baolina kitra natao ny alahady lasa teo. Fihaonana izay nisarahana ady sahala tamin’i Cote d’Ivoire izay heverina fa mpilalao atahorana aty Afrika. Niezaka ny boay kely, ka ady sahala samy tsy nisy nitoko no hita tetsy Mahamasina.Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao malagasy, ka nahafaly ny maro, na dia hita aza fa mbola any amin’ny laharana faha-telo no misy antsika. Zatra ny nahita ny mpilalao malagasy resy lava amin’ny isa mavesatra ny maro, ka mba nitsiky kely rehefa tsy nahatafidiran’ny vahiny baolina intsony alohahatreto tao anaty harato.

Nahazo aina kely aloha hatreto ny mpitia baolina malagasy, ary hita fa maro no mihevitra fa hanamy betsaka na ara-moraly io na ara-bola. Izay no hilazana fa raha tsara ny fanohanana ara-pitaovana ireto ekipantsika ireto, dia ahita fahombiazana, fa raha ny mifanohitra amin’izay, dia ny faharesena lava no ho hitantsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS