Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Fonjan’ny Tsiafahy sy ny gadra politika

Ny mivavaka ny tena andanian’izy ireo andro

vendredi 16 mai 2008 | Penjy R.

Izay iray aina iray vatsy. Olona natambatry ny politika ao amponja ireo fianankavianay ireo, ka tsy tokony hanangana fahavalo ho an’ny tenany ny rehetra. Vadin’olona ambony teto amin’ny firenena manana havana migadra ao Tsiafahy no nilaza izany tamin’ny mpanao gazety omaly. « Hanaterana sakafo manta toy ny vary sy hena ary voamaina ny havanay, ary izy io indray no mifampitsimbina amin’ny ireo namany ao amponja ».

Ankoatry ny korana fanalana andro, dia ny vavaka no tena mibahana ao amin’ny fianan’izy ireo. Manana baiboly avokoa izy rehetra. Saika efa voavaky voalohany ka hatramin’ny farany ny baiboly DIEM. Nampiova fo ny fidiran’ny havanay ao amin’io fonjan’ny Tsiafahy io, hoy ity renim-pianakaviana ity. Saika vita batemy tao amponja ihany koa izy ireo. Voalaza fa ireny mpitondra tenin’ny soratra masina ireny no nanao izany batemy izany.

Tao anatin’ny tsiky malefaka no nilazan’ity ramatoa ity ny teny hoe, rehefa mivoaka ny fonja indray andro any angamba ny vadiko, dia hanadino tanteraka ny politika, fa mety ho lasa mpitory ny filazan-tsara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS