Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h50
 

Teny zato, kabary arivo

Ho tapahina ny karama

lundi 2 juin 2008 | Penjy R.

Tsy hihemotra amin’ny fitakiana ataonay izahay. Io no heno tamin’ny fanambarana nataon’ny mpiasan’ny Jirama. Ny zo maha-olona mihitsy no voakitika ka tsy azo leferina.

Na dia efa nisy aza ny fanelanelanana nataon’ny tompon’andraikitry ny ministera misahana ny asam-panjakana dia hita ho niala maina ihany izy ireo. Tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, ka ny vahoaka mpanjifa no mizaka ny vokany. Manoloana ity fitokonana ity, dia mandeha ny feo fa mety ho tapahina ny karaman’ny mpiasa izay mbola manao fitokonana. Tsy hampihemotra anay kosa izany hoy ireto mpiasa.

Ho an’ny vahoaka kosa dia mbola tsy tonga hatramin’izao ny faktioran’ny Jirama farany teo. Ahiana hiteraka faty antoka ho an’ny orin’asa izay hambara fa manomboka miarin-doha ny toy izao. Ny isan-tokantrano koa etsy ankilany, dia ho be ny ho tapaka jiro sy rano. Ny vola eo ampelan-tanan’izy ireo mantsy dia mety hivadika sakafo na zavatra hafa. Dia ho sanatria ve hiaina ao anatin’ny haizina indray ny maro, nefa ny delestazy aza ity tsy manakom-pery akory ?
Aiza ny fahaiza-manaon’ireto vahiny mikarama vola be ao amin’ny Jirama no toa tsy maha-vaha olana ? Sa isika samy gasy no tokony hifandamina amin’izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS