Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 04h28
 

Teny zato, kabary arivo

Hijanona ho bado ny tantsaha

samedi 31 mai 2008 | Penjy R.

Izay tsy mahay Informatika ny taona 2000 dia naman’ny bado. Teny nentina hidiran’ny olona amin’ny fahaizana ny resaka Informatika io. Niroborobo ny fidiran’ity sehatra ity tetsy sy teroa, ka zary nahazo ny tandrify azy ny mponina anranan-dehibe. Tsy vitsy ihany koa anefa no mbola tsy mahay izy ity ny mponina andrenivohitra an.

Hijanona ho bado hatrany ny tantsaha. Ny antony, dia na ny fahaizana mamaky teny sy manoratra aza mbola ny 80% ny mponina any tsy mahay ireo. Izay mba mahay manoratra sy mamaky teny indray, dia tsy misy jiro hampiasaina ny resaka Internety. Ny antanan-dehibe aza tsy voavatsy jiro, na misy fa hanjakan’ny delestazy. Mba te-ahay tahaka ny zana-bahoaka ny mponina any ambanivoly, saingy ilay politika entina hampandrosoana ny ambanivohitra no tsy tafitan’ny mpitondra hipaka any amin’ny tantsaha. Resaka fotsiny ny ankoatran’izay. Misy ny ezaka hanamparitahana fahefana mipaka hatrany ifotony, ary izay no anton’ity faritra 22 ity. Nomena fahefana ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanana. Tompona’ndraikitra feno amin’ny fampandrosoana ny lehiben’ny faritra, nefa hatraiza ny tena asa mivaingana any amin’ny vahoaka rehetra any ? Sa vao manomboka ny asa ? Ho hita eto ary hirariana mba ho tafapaka hatrany amin’ny tany lavitra andriana rehetra any ny resaka Internety sy ny maro samy hafa mba tsy hijanona ho bado araky ny nambara ny ireo havantsika any ambanivohitra rehetra any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS