Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h43
 

Malagasy

Zakahely Boniface

Rahoviana no esorina ny zo « Tsy azo kitihana » ?

jeudi 29 mai 2008 | Penjy R.

Hifantoka etsy Tsimbazaza indray ny mason’ny mpanara-baovao. Hihaona mivantana ny Governemanta sy ny depiote. Ny tatitry ny asa vita sy ny mbola ho atao no hifantohan’ny fihaonana.

Isan’ny ahasarika ny sain’ny maro ihany koa ny momba ny zava-nitranga nahazo ny depiote Zakahely izay nalefa any amin’ny fonjan’Ambalatavohangy ny alahady teo. Tsy vao izao no nahitana depiote nahiditra am-ponja teo am-perin’asa, fa efa nihatra tamin’ny depiote Voninahitsy io. Mbola any am-ponja ihany koa ity lehilahy ity hatramin’izao. Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Lahiniriko, dia efa nilaza fa tsy azo ekena ny toy izao, satria ho voatsimpona ho alefa eny am-ponja avokoa ny namana rehetra raha mitohy izao. Nampiongana azy teo amin’ny toerany ny nanambarany izany. Hatreto dia miandry ny mety hanalàna ny zon’ity depiote ity ny maro, ary ho hampiakarina handimby ny toerany ve ny laharana faharoa tao anaty ny lisitry ity depiote ity sa hajanona amin’izao ? Ireo namany etsy Tsimbazaza, dia tsy nahenoina fanehoan-kevitra fa nanipy ny baolina any amin’ny Fitsarana. Midika ve izao fa efa very ihany koa ny firaisan-tsaina eo amin’ny samy olom-boafidy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS